Vao nody ny masoandro dia efa raikitra ny fandrobana. Fanafihana hafakely satria any amin’ny toerana izay heverina fa mba be olona sy ho tsy sahin’ny olon-dratsy tafihina no indrisy fa ny mifanohitra amin’izany no nitranga. Manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany hariva, ny talata teo, raha mbola tao anatin’ny fitohanana tanteraka ny fifamoivoizana izay mizotra mankany Analamahitsy raha avy aty Andranotapahina, no nitranga ny asa ratsy. Nidiran’ny efa-dahy ny taxibe iray voalohany. Nambanany tamin’ny basy izay raha ny filazan’ny mpandeha dia « revolver » izany. Tsy vitan’izany fa mbola nisy nitondra ireny etona mahafanina ireny na « big boss » ireo jiolahy. Nisy iray mba namaly ny mpandeha tao amin’ilay fiara fitaterna voalohany. Daroka avy hatrany no namalian’ireo olon-dratsy an’izany. Lasa avokoa ny paoketra, ny firavaka ho an’izay nanao izany (hatramin’ny peratra mariazy aza) ; ary mazava ho azy ny vola sy ny akanjo mba tsaratsara teny an-koditry ny olona. Rehefa nohamarinina ny vaovao dia fantatra fa niharan’ny toy izany ihany koa ny fiara fitaterana iray hafa taoriany. Mitovy tsy misy valaka ny zava-nitranga. Efa-dahy ihany koa ireo niakatra nanao ny fanafihana ary ny ambiny maromaro nijanona teo ivelan’ny fiara. Mijirika sao misy mpitandro filaminana ary miditra an-tsehatra raha sanatria misy mamaly ao anaty fiara. Tao anatin’ny segondra vitsy monja dia vita ny fanafihana ary samy nipenipenina avokoa ny mpandeha tamin’ireo taxibe izay voakasika. Inona ihany izany ny fomba hialana amin’ny jiolahy ? Mandeha môtô voavely « bois rond », mandeha fiaran’ny tena misy miditra tampoka ao anaty fitohanana, mandeha taxibe mbola misy andian-jiolahy mandroba ihany. Mahamay ny tanàna ary lasa tsy mifampatoky intsony ny olom-pirenena vokatry ny tsy fandriam-pahalemana. Mila ezaka maika raha mbola te-hiandrandra fandrosoana.
D.R