Lasa ny finday, ny entana sarobidy rehetra tao anaty fiara, niaraka tamin’ny vola. Izay no nahazo ity rangahy iray, nitondra fiara raha sendra ny tampoka ka tafajanona teo amin’ny lalan’i Masay ny harivan’ny zoma lasa teo. Bandy kely teo amin’ny dimy lahy teo no avy hatrany dia nanatona ilay fiara, izay tsy afa-nihetsika intsony noho ny fahalanian’ny solika, ary nanao tambabe tamin’ilay rangahy sy nanendaka azy. Sendra ny tsy azo anoharana ilay tompon’ny fiara ary tratry ny be noho ny vitsy, eny fa na dia mbola kely sy tsy ampy taona avokoa aza ireto andiana olon-dratsy ireto. Lasa tamin’izany avokoa ny zavatra rehetra sarobidy teny amin’ity rangahy ity. Nametraka fitarainana teny amin’ny pôlisy avy hatrany ity rangahy ity ny ampitso, satria raha ny filazany dia tadidiny daholo ireo nanafika azy. Tsy niandry ela fa ny hariva ihany dia nisy tamin’ireo efatra tamin’ireto bandy kely ireto no voasambotra. Ny alahady teo kosa no tratra teny Manjakaray teny ny fahadiminy. Tamin’ny famotorana natao azy ireo dia fantatra fa efa rain-dahiny tanteraka amin’ity fanafihana sy fanendahana ireo olona sendra taraiky amin’iny lalan’i Masay iny izy ireo. Ilay vao maraina iny na ilay efa somary hariva. Mandeha marobe izy ireo amin’ny fotoana hanaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Tsy vao izao tokoa fa efa maro ireo olona mitaraina amin’ireo andiana tovolahy, izay mody mihazakazaka sy mikotrana eny amin’ireo lalana malalaka eto an-drenivohitra : Masay, lalam-baovao 67ha, ary amin’izao fotoana izao dia eny amin’ny Rocade, sy maro hafa, kanefa dia sady manendaka ihany. Efa maro tokoa ireo nahita faisana. Ary nisy ny sasany nitondra takaitra mihitsy, satria dia tsy menatra ny mamono sy manao tambabe mihitsy izy ireo, raha miana-kendry mamaly. Fa amin’izao aloha dia azo heverina fa mety hipetrapetraka izy ireo, eo anatrehan’izao fisamborana azy efa-dahy ireto. Raha ny fantatra moa dia omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy ireo.
m.L