Na efa voararan’ny Fanjakana malagasy aza ny fandefasana olona hiasa any amin’ireo Firenena Arabo (Arabie Saoudite, Koweït, Liban…) nahitana olana matetika tamin’ny fomba fitondrana ireo mpiasa tonga tany dia mbola misy ihany ireo manao izany antsokosoko ka mampiasa izay fomba rehetra ahatongavana amin’izany. Isan’izany ity tambajotra iray vao ravan’ny Sampana mpanao fanadihadiana manokana sy miady amin’ny fanaovana hosoka antontan-taratasy (SCELFD) etsy Anosy ny Alatsinainy 11 Aprily lasa teo ity.
Tovovavy roa mitonona ho mpiasam-panjakana nanao fangatahana hanao pasipaoro teny amin’ny sampan-draharaha miandraikitra izany teny Anosy, io Alatsinainy io, no niandohan’ny fanadihadiana. Rehefa nohamarinina ny antontan-taratasy dia hita fa sandoka ny « certificats administratifs » sy ny « autorisation de sortie » nampiasaina. Nalefa tany amin’ny SCELFD avy hatrany izy roa vavy mba hanaovana fanadihadiana. Nandritra ny famotorana no nahalalana fa halefa any Koweit izy ireo ka mba hanamora ny fahazoana pasipaoro sy ny fahazoana mivoaka an’i Madagasikara dia namoronana taratasim-panjakana hosoka.
Nivoaka teo ihany koa fa Mpiasan’ny Minisiteran’ny Vola sy ny Teti-bola (MFB) no atidoha amin’izany. Rehefa nosavaina ny tranon’izy ireo dia nahitana fitombokasem-panjakana sy antontan-taratasy maromaro avy ao amin’ny MFB sy ny Minisiteran’ny Asam-panjakana (FOP). Tamin’ny fanadihadiana natao azy roalahy no nahafantarana fa miara-miasa amina « Agence deplacement » iray any Koweit izy ireo amin’izao asa ratsy izao ka amin’ny alalan’ny Facebook no hitadiavana ireo ankizy haondrana.
Vola be tokoa no azon’izy ireo amin’izany satria mandoha 800 000 ariary isan’olona ny ankizy haondrana. Ilay Agence kosa no miantoka ny saran-dàlana ka andraisan’izy roalahy 3 000 000 ariary isan’ankizy.
Omaly no natolotra ny fampanoavana izy efatra mianadahy ireo.
T.M.


