Sesilany ny fahafatesan’ny mpifaninana ho andiany faha-71, eo anivon’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena ao Ambositra. Raha vao notaterin’ny gazety omaly ny fisian’ny tovolahy roa izay namoy ny ainy taorian’ny hazakazaka 1000metatra, fantatra koa omaly fa nisy iray fanintelony indray namoy ny ainy. Tovolahy 24 taona izy io ary raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria dia ny fisotroana rano mampatanjaka no niteraka ny tsy fahasalamany taorian’ny fitsapana ara-batana. Efa nanome fitsaboana voalohany ho azy ireo dokotera dimy sy mpitsabo mpanampy talohan’ny nitondrana azy teny amin’ny hopitaly, raha araka ny zandarimaria hatrany. Nantsoina ihany koa ny fianakaviany ary teo no nanazavan’ilay tovolahy fa mety ho ilay zava-pisotro mampatanjaka no nitarika io faharariany io. Nanomboka ny 14 aprily teo izy no efa naiditra hopitaly ary niharatsy ny toe-pahasalamany izay nitarika ny fahafatesany, omaly. Satria nisesy loatra ny fahafatesana tao anatin’izay andro vitsivitsy nanaovana fifaninanana izay, nilaza ny zandarimaria fa hanokatra fanadihadiana momba ny raharaha. Tsy ny eo anivon’ny zandary ihany no efa nitrangan’ny fahafatesana toy izao nandritry ny fitsapana ara-batana. Isan’ny tadidy ny fifaninana ho miaramila tao Antsirabe; izay nitarika ny fahafatesan’ny mpiadina iray. Saingy tsy lasa lavitra ny raharaha, satria zanaka miaramila ihany koa ilay namoy ny ainy ary voalamina teo anivon’ny samy izy ireo ny tsy hisian’ny fanenjehana. Mafy loatra ve ny fitsapana ara-batana? Samy mbola miandrandra ny valin’izany ny maro…
D.R
Fidirana ho zandary : Nitombo iray indray ny mpiadina maty
Articles qui pourraient vous intéresser