- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025

Tapatapany

#-Manarintsoa Isotry. Sarona ireo efa-dahy nanindrona antsy ny namany. Ny sabotsy sy alahady lasa teo no nopaingorina teny Manarintsoa Isotry ireo telolahy, voarohirohy tamina resaka tsindron’antsy nahafaty lehilahy iray teny an-toerana. Ny alin’ny talata hifoha alarobia teo no nisehoan’izany rehefa nitrangana fifamaliana teo amin’ireto dimy ireto, izay avy niandry faty, ary an-dalana hody. Ny ampitson’io no naterina teny amin’ny pôlisy ny iray tamin’ireto mpinamana ireto, ary izao tratra izao ny telolahy namany hafa.

#- Andoharanofotsy. Voafatotra ny tompon-trano, lasa ny vola an-tapitrisany. Tokatrano iray, teny Mahabo Andoharanofotsy no notafihan’ny jiolahy miisa fito ny marainan’ny alahady teo. Nofatoran’ireto olon-dratsy ny tompon-trano. Lasa tamin’izany ny fahitalavitra iray, vola roa tapitrisary ariary mahery, niaraka volamena sy finday. Efa nanao sahavao ny manodidina ny zandary teny an-toerana, ary fantatra fa nangalàna alika mpitsongo dia mihitsy.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici