- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntanifotsy : Mpitondra môtô voasakana, lasa ny vola

Antanifotsy : Mpitondra môtô voasakana, lasa ny vola

Tsy an-tanan-dehibe, tsy ambanivohitra fa dia manjaka tokoa ny tsy fandriam-pahalemana. Lehilahy iray nitondra môtô no lasibatry ny fanakanan-dalana tany amin’iny distrikan’Antanifotsy iny, ny herinandro teo. Raha iny izy teny an-dalana avy eny Ambohitompoina hizotra ho any Ambohimandroso no sendra andian’olona nirongo basy. Ny toerana rahateo ankodahoda be, zara raha nisy olona nandalo. Nijoro teo am-povoan-dalana ireto olon-dratsy ary nanambana ny basy teny am-pelatanan’izy ireo tany amin’ity mpitondra môtô ity, izay voatery nijanona. Tsy afa-nanoatra ilay rangahy. Izy izy irery, ireto mpanafika azy anefa maro ihany no sady niaraka tamin’ny basy, ka hany heriny nanaiky izay zavatra notakian’ireto olon-dratsy ireto. Ny vola tany aminy, izay mitentina eo amin’ny roa tapitrisa latsaka teo, no lasan’ireto malaso, niaraka tamin’ny môtô-ny sy ny taratasin’izany. Nitsoaka ireto farany rehefa azon’izy ireo izay notadiaviny. Nampandrenesina avy hatrany makasika ity fanafihana ity ny zandary tany an-toerana, izay avy hatrany dia tonga tany amin’ilay toerana. Teny an-dalana anefa, nifanena tamina telolahy mampiahiahy izy ireo, ka avy hatrany dia nosavaina. Fitaovam-piadiana isan-karazany no hita tany amin’ireto olona ireto, toy ny basy, bala ary zava-maranitra. Nentina notazonina sy nanaovana fanadihadiana tany amin’ny tobin’ny zandary moa ireto olona ireto. Efa mandeha kosa ny famotorana mahakasika ilay fanakan-dalana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici