- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025

Tapatapany

# Antsirabe. Olona roa maty nilatsaham-baratra. Ny alakamisy lasa teo, vehivavy roa no indray namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka tao Bemasoandro, Antsahavory, kaominina Ambohidranandriana, Antsirabe. Nisehoana oram-baratra tamin’io fotoana io tany an-toerana. Sendra nialoka teo amina tsena iray ny iray tamin’ireo namoy ny ainy, niaraka tamina olona enina hafa. Nirefotra ny varatra ary nilatsaka teo amin’ity tsena ity. Namoy ny ainy avy hatrany ny vehivavy iray, tompon’ny tsena ary iray tamin’ireo mpialoka. Naratra kosa ny ambiny ary voatery nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana.

# RN6. Fiaran’ny cecam voasakan-dàlana. Saika lasibatry ny jiolahy mpanakan-dalana ny fiaran’ny cecam Antsohihy ny alahady lasa teo, teny amin’iny lalam-pirenena fahaenina iny, teo Ambodibonara, kaominina Anjiamangirina. Nobahan’ireo jiolahy hazo ny lalana ary nanapoaka basy izy ireo, saingy nanao amboletra nandeha ilay fiara ka afaka soa aman-tsara ihany. Fiara iray hafa ihany koa no voatara-bato teo amin’io faritra io. Niantso avy hatrany ny zandary izy ireo. Saingy efa nandositra ireo mpanakana. Efa mandeha fikarohana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici