Tokantrano iray teny Antandrokomby, Mahitsy, no lasibatry ny asan-jiolahy indray ny alin’ny sabotsy lasa teo. Niisa telo ireo olon-dratsy nanao amboletra niditra tao amin’ity trano ity. Vola mitentina iray hetsy ariary niampy bodofotsy maromaro sy firavaka volamena rehetra tao an-trano no lasan’ireo olon-dratsy. Teo amin’ny dimy kilaometatra andrefan’i Mahitsy no nitrangan’ity fanafihana ity ary trano, tsy lavitra akory ny tranon’ny tompon’andraikitra voalohany ny fokontany tany an-toerana, kanefa dia mbola sahy ireo jiolahy. Nitondra basim-borona ireto farany. « Raha nandre zavatra nikarapoka ny tompon-trano dia nidina namoha varavarana ka tafiditra ny tranony, noho izany, ny roa tamin’ireo jiolahy ary ny iray kosa dia niandry tany ivelany. Nanambana basy ny tompon-trano ireo olon-dratsy sady nitaky vola », hoy ny fampitam-baovao azo. Noho ny tahotra dia nanome izay notakian’ireto mpanafika ny tompon-trano, izay tsy afaka nanao na inona na inona akory. Rehefa lasa ireo mpanafika vao afaka niantso vonjy tao amin’ny mpifanila vodirindrina taminy izy, ary ity farany indray no nampandre ny zandary nony avy eo. Efa nisy moa ny fitsirahana sy ny fanarahan-dia ary ny fanokafana ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana.
m.L