Tena matihanina tokoa fa dia tsy nisy nahare ny olona tao an-tanàna tamin’ny namoahan’ireto jiolahy tao am-bala ny omby vavy be ronono tao an-tanàna. Ny herinandro lasa teo no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Mahatsinjo.
Handeha hitery omby maraina mantsy ny tompon’omby no valalanina fa tsy nahita intsony ny omby tao anaty vala. Rehefa natao ny fisafoana ny manodidina dia tena nirindra sy nanam-potoana tokoa ireto mpangalatra, na ny vala izay mifefy sy mafy hidy dia voavaha soa aman-tsara, ny voly taretra sy katsaka manodidina ihany koa dia voakapa sy voadio tsara amin’ny atao lalana nivoahan’ity omby hangalarian.Tsy nisy nahare izany rehetra izany fa dia tafavoaka soaman-tsara ny omby.nangalan’ireo olon-dratsy. Teo no nahatsapan’izy ireo fa tao anaty tabataba no tokony nanatanterahana izany kanefa dia tsy nisy naheno noho ny fisian’ny fonoka mahery nampiasain’ireto jiolahy ny tompon-trano..
Nanao ny fanarahan-dia ny tompon’omby niaraka tamin’ny fokonolona, tsy lasa lavitra fa hita tao antampon’i Mandray ny omby, saingy ny lohany sy tongony ary ny tsinainy sisa no tao. Nahitana tonon-kena ihany koa teo amin’ny manodidina ilay toerana namonoan’ireo jiolahy azy. Marihina fa omby vao teraka ity novonin’ny jiolahy ity.
Velon-taraina ireo fokonolona noho afitsoky ny asan-jiolahy, halabotry sy rainizavona ka manao antso amin’ny fitondram-panjakana. Ankoatra ireo halabotry mantsy dia najifan’ireo olon-dratsy koa ny vary eny an-tsaha.
Andry N.