Maty tsy tradrano ny tovovavy iray antsoina hoe Rabibison Mbolatiana. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny fito ora maraina dia nisy fiara iray nirimorimo, nentin’ny teratany karàna. Tsy nisy dian-kodiarana ny arabe ary nijanona teo amin’ny “vitesse” fahefatra ilay fiara tamin’ny fotoana nijeren’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana. Midika izany fa tsy nahahitsaka “frein” mihitsy ilay mpamily. Midika ihany koa izany fa nandeha mafy izy matoa tafajanona teo amin’ny “vitesse” ambony ny fiara. Raha ny filazan’ny olona teo amin’ny manodidina dia nisongona fiara teo anoloany ilay fiara nahavanon-doza kinanjo tsy tafajanona intsony ary nifatratra tany amin’ilay tovovavy izay nanaraka ny sisin’arabe. Nipitika teo amin’ny vavahadin’olona izy ary ilay fiara kosa ny tambohon’olona no nampijanona azy. Nisy indray ny olona no nilaza fa nanao torimaso fotsy rehefa avy nivoaka alina ilay karàna. Nentina teny anivon’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna izy ary nosokafan’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ny fanadihadiana azy. Tsy nanafina ny fianakavian’ny maty ny amin’ny ahiahin’izy ireo momba izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Ny antony dia tsotra, teratany karàna no voakasika. “Ankininay amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany mba handeha araka ny tokony ho izy fizotran’ny raharaha, satria ain’olona no very tao anatin’ity tsy fitandremana ity” hoy izy ireo manazava. Hatreto dia tsy fahatapahan’ny “frein” na koa antony hafa ny nahatonga ny loza. Mangin’izany ihany koa, fiara mbola isan’ny raitra eto amintsika ilay nahatonga ny loza ary tsy olana ara-teknika raha ny tombana teny an-toerana no mety ho nitera-doza.
D.R