Araka ny efa nitaterana teto amin’ny gazety, omaly ,dia mitohy hatrany ny fikarohana ilay mpamily namaky ny tranon’ny Karana mpampiasa azy tao amin’ny Cité Platon-Ampahibe, ka nitsoaka niaraka tamin’ny fiaran’ity farany. Tsara anefa ny manamarika fa sarotra ny raharaha noho ny vaovao isan-karazany manodidina ny momba ity lehilahy ity. Ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia niafara hatreto tamin’ny filazana fa olona tokony hihidy any amin’ny Fonjan’Ankazobe io olona io ary Ramanantsialaza Patrick dit Tita no anarany ka io no nosoratana tamin’ny filazana fikarohana azy (avis de recherche). Fantatra anefa fa araka ny antontan-taratasy nentiny niasa sy nananan’ny mpampiasa azy, dia RAMANANDRAISOA Jean Baptiste Lucien dit Lucien no voalaza ao amin’ny kara-panondron’ity mpamily karohina ity. Izy dia teraka tao Ambalafanovana Fianarantsoa II tamin’ny 19 Aogositra 1969. Mitondra ny kara-panondro laharana 201031001848 natao ny 27 aout 1987 tao Fianarantsoa ary monina eny Madera-Namontana lot IIIS 287 E Ter. RABAKOARISON Jean de Dieu sy RAZANANERA Berthe no ray aman-dreniny. Mitohy hatrany arak’izany ny fikarohana ity Lucien ity.
T.M.