Potika tanteraka tsy nisy azo noraisina intsony ity fiara tsy mataho-dalana iray, marika Isuzu, izay an’ny Jirama, rehefa tafalatsaka tanaty hantsana ary nivadika ambony ambany. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray 51 taona, ary naratra mafy kosa ny namany iray, izay marihana fa samy mpiasa amin’ity orinasa ity avokoa. Ny antoandron’ny talata teo no nisehoan’izany teo amin’ny toerana antsoina hoe Mangamanana, lalam-paritra mampitohy ny kaominina Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary ; izay tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy dia fantatra fa vokatry ny olana ara-teknika nahazo ity fiara ity no nahatonga ny loza. Raha iny handeha hiaka-piakarana iny mantsy no nihemotra tampoka ilay fiara. Tsy voatazon’ny mpamily intsony ary dia tafalatsaka tany anaty hantsana. Tsy nisy afa-tsy ireo mpiasan’ny Jirama roa ireo irery no tao anatin’ilay fiara, araka ny vaovao azo hatrany. Nentina novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly moa ilay naratra, lehilahy 45 taona, izay mpamilin’ilay fiara, raha tsy nisy azo natao intsony ny amin’ilay namany, izay namoy ny ainy teo ho no eo hatrany, raha ny vaovao hatrany.
m.L