Lasa faritra mena tsy azo aleha amin’ny andro hariva na alina, ny lalam-baovao manamorona ny Marais Massay iny, tato ho ato. Manjaka eny ny mpanedaka sy ny mpanao sinto-mahery ary tsy afa-maina izay tratran’izy ireo. Herinandro lasa izay, raim-pianakaviana iray hamonjy fodiana eny Amboditsiry no lasibatra teny. Avy niasa sy nandray karama ity ranamana ka mba nividividy izay zavatra ilaina ho an’ny tokantranony no voasakana ka nendahin’ireo jiolahy. Nampalahelo fa ban-kiraro sy kilaoty kely sisa no nentiny nody. Taloha kelin’izay, mpitondra môtô iray no nisy nanosika tampoka ka nianjera.Vokany, tapaka ny tongotra, ary lasan’ny mpangalatra ny môtô. Mpamily fiara iray ihany koa no voaendaka rehefa lany lasantsy ka voatery nanajanona ny fiarany teny amin’iny lalana iny, fa handeha hividy lasantsy eo amin’ny tobin-tsolika etsy Ankorondrano. Soa fa mba tsy lasa ilay fiara.
Mitranga izao zavatra izao, raha ny fitarainan’ny mponina manodidina sy mampiasa iny lalana iny noho ny haizina manjaka eny an-toerana. Tsy misy mirehitra intsony tokoa ireo jiro nanazava iny lalana iny. Nefa toerana fitsangantsanganana tena tian’ny olona teny taloha. Fa ny tena loza, mahazo vahana mazava ho azy ireo mpangalatra vy, natao fiaro ny moron’io lalana io ka iangaviana ny tompon’andraikitra eo voakasik’izany mba hijery akaiky ity tranga ity.
T.M.