- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFarafangana : Tezitra ny fokonolona, maty notapahin-doha ilay ampanjaka

Farafangana : Tezitra ny fokonolona, maty notapahin-doha ilay ampanjaka

Fitsaram-bahoaka iray indray no niseho tany amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny ny alahady lasa teo. Lehilahy iray, voarohirohy tamina resaka fanafihana no nalain’ny olona tao amin’ny biraon’ny zandary, tao Evato ary maty notapahin-doha. Raha ny fanazavàna azo dia karazana ampanjaka any amin’iny faritra iny ity lehilahy nataon’ny fokonolona fitsaram-bahoaka ity. Raha ny zava-nisy, araka ny loharanom-baovao azo avy eny anivon’ny zandary, ny voalohan’ny volana mey lasa teo, dia nitrangana fandrobana sy fanafihana tao amin’ny tranon’ny Ben’ny tanàna tao Vohilengo. Lasa tamin’izany ny basiny sy ireo entana maro isan-karazany. Raha ny filazan’ny ben’ny tanana ity tamin’ny fanadihadiana dia ny ainy mihitsy no nokendrena tamin’io fandrobana ny tranony io saingy tao izy tamin’ny fotoana nitrangan’izany ka avotra soa aman-tsara. Nametraka fitarainana avy hatrany tany amin’ny zandary tany Evato ny tenany, ka nanao ny fanadihadiana rehetra iretsy voalohany. Nisy olona roa voarohirohy tamin’io fotoana io, ary nosamborin’ny zandary. Tafaporitsaka anefa ny iray. Nandeha ihany koa ny feo fa isan’ireo nandray anjara tamin’ity fandrobana ity ilay voalaza fa ampanjaka. Nampanantsoin’ny mpitandro filaminana nanaovana fanadihadiana ity farany. Ny alahady teo, nirohotra teny amin’ny biraon’ireo mpanao fanadihadiana, teny Evato ny andian’olona maromaro avy any Vohilengo, naka ilay ampanjaka tao amin’ny biraon’ny zandary. Teo anatrehan’ny fahavitsian’ireto farany manoloana ny habetsak’ireto andian’olona tsy afaka nanao n’inona n’inona izy ireo, hoy ny vaovao. Nolazaina teo fa hoe kabariana imasom-bahoaka ity olona ity, kanjo zavatra hafa mihitsy no niseho. Efa niletra teny amin’ny tendan’ity olona ity antsy, ary nahafaty azy teo ho eo ihany. Marihana, hoy hatrany ny loharanom-baovao fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ilay ben’ny tanana sy ny zandary talohan’io. Ary voalaza tamin’izany fa hoe afaka manao ny asany am-pilaminana amin’ny famotorana ireo tompon’andraikitra. Nivadika anefa ny rasaka teo, ka izao niafara tamin’ny rà mandriaka izao. Nidina tany an-toerana avy hatrany moa ny tompon’andraikitry zandary teo anivon’ny vondron-tobim-paritra io alahady io ihany, nijery ifotony ny zava-nisy ny nanao ny fanadihadiana, narahana mpitandro filaminana maromaro, hitandro ny filaminana. Satria misy vono olona tao, hoy ny lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary misahana iny faritra Atsimo Atsinanana iny dia maintsy manokatra ny fanadihadiana sy mandray ny fepetra tandrify izany izahay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici