- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana Ampanjaka : Raikitra ny fisamborana ao Farafangana

Famonoana Ampanjaka : Raikitra ny fisamborana ao Farafangana

Olona efatra no nosamborin’ny zandary tao Evato-Farafangana, raha araka ny tatitr’izy ireo omaly. Nisy ny olona namono mivantana ary nisy koa ireo nitazam-potsiny sy nandrisika, raha araka io loharanom-baovao io hatrany. Mazava izany fa nihazakazaka ny fanadihadiana raha vao nanomboka fantatra fa olo-manan-danja eto amin’ny firenena (telo aloha indrindra indrindra) ny havan’ny maty. Amin’ireo fianakaviana dia ny ben’ny tanàna no tao ambadiky ny famonoana ary andrandrain’izy ireo ny hahatongavan’ny fanadihadiana any amin’io olom-boafidy io. Raha tsiahivina dia tao amin’ny biraon’ny zandary no nidiran’ireo olona an-keriny nandritra ny fanadihadiana ilay ampanjaka. Noteren’izy ireo hanao kabary “Dina” io farany saingy tsy nanaiky hatramin’ny farany. Efa nisy ny fanelanelanana nataon’ny zandary ary efa nilamina ny raharaha, saingy niverenan’ireo olona marobe tampoka ary nanomboka teo no tsy voafehy intsony ny filaminana. Dikany, tsy afa-nanoatra fa dia nijery heloka bevava mivantana ny mpitandro ny filaminana. Nokapaina tamin’ny antsy ny tendan’ilay ampanjaka. Amin’ny mpanara-baovao dia fitsaram-bahoaka hafakely ihany ity nitranga tany Evato-Farafangana ity, satria tsy mba noheverina ho tratran’izany fanao ratsy izany ny ampanjaka, ary izy ireo aza no matetika hakana hevitra alohan’ny hisian’ny fitsaram-bahoaka. Saingy nivadika tanteraka ny rasa tamin’ity indray mitoraka ity ary nahatonga ny fianakaviana niahiahy fa nisy olona ambadika taorian’izao fa tsy fitsaram-bahoaka tsotra no nitranga. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici