- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy Tsimahafotsy : Tokantrano telo indray nasesin’ny jiolahy, olona roa naratra mafy

Ambatolampy Tsimahafotsy : Tokantrano telo indray nasesin’ny jiolahy, olona roa naratra mafy

Ny talata maraina lasa teo, tokantrano telo be izao no indray lasibatry ny jiolahy mitam-basy teny amin’iny faritra Ambatolampy Tsimahafotsy iny. Vola aman’hetsiny maro, niampy entana sarobidy isan-karazany no najifa tamin’izany. Fa ambonin’ireo dia fantatra fa niharan’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy ny olona roa tao amin’ireto tokantrano ireto. Tokony ho tamin’ny iray maraina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity. Raha ny fanazavàna azo dia niisa teo amin’ny telo teo ireo jiolahy nanao amboletra tao amin’ireo voatafika, tamin’ny alalan’ny fanapitsohana varavarana. Nanao fanamiana mpitandro filaminana izy ireo ary nitondra basy. Raiki-tahotra tamin’izany ireo voatafika ka nanome moramora izay notadiavin’izy ireo. Nisy ihany  anefa ireo sahy nanohitra ka nodarohan’ireto olon-dratsy ireto. Olona roa no naratra, vokatr’izay. Ny iray tamin’ilay trano voalohany, ary ny faharoa tao amin’ilay trano fahatelo. Ny iray tamin’izy ireo no tena voa mafy satria voa teo amin’ny lohany raha ny angom-baovao hatrany. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja no nanaovan’izy ireo izany asa ratsy izany ary nitsoaka nandositra nony avy eo. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ireto olona voatafika ireto, ary nitondra ny marary tany amin’ny hôpitaly. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana ary efa mandeha ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici