Amin’ny andro antoandro be nanahary no nitranga ny fanafihana mitam-piadiana tetsy Manakambahiny omaly. Amin’ny fotoana maha-be mpivezivezy teo an-toerana ary koa eo amin’ny tena hifanaretsahan’ny olona mihitsy no tonga ny olon-dratsy mitam-basy ary nanafika tokantrano iray teo an-toerana. Tsy latsaky ny efatra izy ireo raha araka ny fanazavan’ny olona izay nanontaniana teny an-toerana. Haingana ihany dia tonga ny pôlisy misahana ny fiarovana ny boriborintany faharoa, saingy efa tsy nisy hita intsony ireo olon-dratsy na dia nosavaina tany anaty elakelan-trano rehetra tany aza. Mazava fa sarotra ny mifehy ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra ankehitriny noho ny antony maro. Ankoatra ny zava-misy tsy azo ihodivirana, dia ny fahantrana sy ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana, mbola misy koa ny lafiny ara-kolontsaina mipetraka ankehitriny. Toy ny hoe lasa fanao sy toetra mipetraka ho an’ny fiaraha-monina sasany ny halatra. Ny lehilahy izany raha tsy mangalatra dia toa ny tsy lehilahy. Misy izany eto an-drenivohitra ary mitohy isaky ny taranaka aza. Dia rehefa raiki-tapisaka ao anatin’ireo olona ny halatra ka manomboka mahazo tsirony izy noho ny vola azony, lasa miakatra tsikelikely ny lentan’ny asaratsiny ary tonga amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy ny heloka bevava hafa. Dikan’izany, misy lafiny fanabeazana izay tokony hatomboka dieny izao ary atao mafimafy eny anivon’ny sekoly sy ny tokantrano maro, mba hoentina mandresy io kolontsaina ratsy nefa miparitaka haingana io. Izany dia ankoatra ny ady mahazatra, toy ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana sy ny fanamafisana ny fisafoana ary ny fiaraha-miasa amin’ny fiaraha-monina eny ifotony.
D.R