- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilCultureAdy tany ao Foulpointe : Resaka làlana voafaritry ny lalàna no mampifanolana

Ady tany ao Foulpointe : Resaka làlana voafaritry ny lalàna no mampifanolana

“Lalana ity mampifanolana ity hatramin’izay, tsy nisy olana tamin’ny fisiany efa taona maro saingy gaga aho aty aoriana fa tonga teny amin’ny fitsarana izany”, izay no nambaran’ny filoham-pokontany Atoa Revisy Marcel, mikasika ity raharaha ao Foulpointe amin’ity Rtoa “A.R” “Villa Ampasivelona” titra 5595-BA, sy Atoa “H.M.R” “Villa Stephane” titra 7816-BA; izay manao aloha sy aoriana.

Samy manana ny ambarany ny andaniny sy ny ankilany mikasika ity resaka faritry ny lalana mampifanolana ny roa tonta ity. Amin-dRtoa “A.R” dia tsy manaja ny lalàna mifehy ny taniny ny andaniny, amin’ny fidirana an-keriny tao anatiny ka izy miaro ny taniny indray no nosamborina, sy milaza fa tsy mba mahazo rariny mihitsy amin’ny fitsarana raha mba mitory sy mitondra ny “marina” avy aminy, momba ity olana ao Mahavelona Foulpointe ity. Voalaza aza, fa efa ny volana jolay 2016 ny fitoriany no teo am-pelan-tanan’ny fampanoavana saingy tsy nisy valiny hatreto, nambarany aza fa tsy hita eo anivon’ny fitsarana intsony ny antontan-taratasy mikasika izany. Nomarihan’ny mpisolovavany, Me Razakasolo Fara, fa tsy nohajaina ny zon’ny olona arovany hatramin’izay, ka izay no mahatonga azy ireo ho nitory teo anivon’ny fitsarana tampony hamindrana ny raharaha ho aty Antananarivo.

Ho an’ny andaniny araka ny fanazavan’ny mpisolovava an’i “H.M.R”, Me Beveloma Jean Rico, izay nidina nijery ifotony ny tena zava-misy tany Foulpointe, ny alahady teo, dia tao anatin’ny fanajana ny lalàna hatrany no nanaovan’izy ireo ny famerenana ny fametrahana ity làlana miditra amin’ny tanin’ny olona arovany ity. Niainga tamin’ny drafitry ny tany ara-dalana niainga teo anivon’ny fananan-tany sy ny kaominin’i Mahavelona Foulpointe izany; teo koa ny fanamarihana nataon’ireo mpandrefy tany mikasika ilay lalana mampifanolana; ary ny tatitra nataon’ny mpitsara nandritra ny fidinanana ifotony nifanatrehan’ny roa tonta tany an-toerana namaritana ny tena zava-misy marina momba ny olana. Ny famefena ilay lalana nataon-dRtoa “A.R” anefa no niteraka ny olana, ka nampisy ny fitoriana teo anivon’ny fitsarana ny ady amin’ny fanjakana tamin’ny fampitsaharana sy fanafoanana ny fahazoan-dalana tamin’ny fanamboarana ny fefy laharana 16/012-COM/MF-Const, izay naaton’ilay didy laharana 35 ny 12 martsa 2016 tamin’ny fampiatoana ity fahazoan-dalana; ary tonga tamin’ny didy ady maika laharana 82-AGR-16 ny 01 martsa 2017 mandrava ilay fefy lasa sakana ho an’ny Atoa “H.M.R”.

Ho an’Atoa Revisy Marcel filoham-pokontany, dia ady tsy tokony  hisy ity mitranga ity, saingy iniana foronina ny olana ka izao miitatra izao; samy manaja ny lalana misy fotsiny ny roa tonta, ny andaniny mamerina ny lalana efa nisy hatramin’izay, ny ankilany koa manaja ny didy navoakan’ny fitsarana. Nomarihan’ity filoham-pokontany ity, fa tsy misy idiran’ny resaka ady tany mihitsy ity raharaha ity…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici