- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana fitavaom-piadiana : Telolahy nahatratrarana basy PA sy bala 446 isa

Trafikana fitavaom-piadiana : Telolahy nahatratrarana basy PA sy bala 446 isa

Olona telo indray no saron’ny zandary teto Antananarivo, nanao trafika fitaovam-piadiana. Basy poleta iray niaraka tamina balana basim-borona miisa 446 isa. Ny herinandro lasa teo no voasambotra ireo olon-dratsy ireto, teny amin’iny faritra Namontana sy Fiadanana iny. « Nandre nohon’ny fikaroham-baovao ny zandarimariam-pirenena fa misy andian’olona mivarotra kalachnikov eto Andrenivohitra ka natao avy hatrany ny vela-pandrika.Tonga tokoa teny Namontana ny lehilahy roa ka voasambotra ny iray izay nahatratrarana basy PA iray 22 long rifle tsy misy taratasiny. Tafaporitsaka kosa ny namany iray » hoy ny fampitam-baovao. Nentina nanaovana fanadihadiana ity olona trara ity, ka tamin’izany indray no nanoroany ny namany roalahy hafa, izay mpivarotra ny bala. Napetraka ny velam-pandrika ary dia tratra teny amin’iny faritra Fiadanana ny roalahy, izay nahitàna bala am-polony maro. « Teny akaikin’ny Centre d’accueil Fiadanana izy ireo no tratra. Sarona tamin’izy ireo ny bala marobe miisa 446 (Calibre 12) fampiasa amin’ny basy fitondra mihaza (FC) izay tsy misy taratasiny koa ». Taorian’ny fanadihadiana moa dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ilay lehilahy tratra voalohany, ka nampidirina am-ponja avy hatrany, eny amin’ny fonjan’Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Ho an’iretsy roalahy izay nahitàna ireo bala, dia anio no entina eny anivon’ny Fampanoavana izy ireo, raha tsy misy fiovàna. Ny zandarimariam-pirenena dia manamarika hatrany fa « ny fanomezan-tanana azy amin’ny fanomezam-baovao rehefa mikaroka izany izy ireo dia tsy misy hafa-tsy tombontsoa lehibe ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka satria voasoroka ny asan-jiolahy nohon’ny fahatratrarana mialoha ireo mpanao ratsy »

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici