Nampisy resa-be teo anivon’ireo tera-tany karana teto Toamasina, ilay tranga fakana an-keriny nahazo ilay zanaka karana teo am-pamangiana ny fasan’ny havany, ny alahady misandratr’andro teo. Na avy amin’ny finoana “Khoja” aza ilay karana nisy naka an-keriny, dia mailo avokoa ankehitriny ireo tera-tany na “Borha”, na “Indiens”, na “Pakistanais”, satria atahoran’izy ireo hiverina hintranga indray ny fakana an-keriny eto Toamasina sy ny famonoana ny mpiray fiaviana amin’izy ireo tahaka ireo roa nitranga ny volana aprily teo ireny. Efa mipetraka ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina taorian’ny fivorian’ny OMC noho ireo tranga na famonoana nisesy farany teo; ka azo inoana fa isany tafiditra tamin’ny fivoriana nifanaovan’ireo mpitandro ny filaminana isan-tokony fanaon’izy ireo isaky alatsinainy ny mahakasika ity ahiahin’ireo tera-tany karana eto Toamasina ity. Ankoatra izay dia isany nahazo toromarika amin’ny tsy fahazoana mivoaka alina sy ny takariva, ny tsy fandehanana irery, ary ho mailo mandrakariva amin’ny zavatra mety hitranga avokoa ireo tera-tany karana eto Toamasina amin’izao, noho ilay fakana an-keriny zakana karana miliaridera tao Antananarivo. Nampitombo ny fisafoana eran’ny tanàna sy ireo toerana sy fokontany be tera-tany karana monina koa ny mpitandro ny filaminana hisorohana ny tranga mety hiseho, nefa tsy hadinoina ireo fokontany hafa tena isan’ny mafana ihany koa amin’ny tsy filaminam-bahoaka, sy voasokajy ho mena, amin’izy ireo…
Malala Didier