Nitondra faisana ireo fiara takisiborosy avy eto Ambatondrazaka hihazo an’i Toamasina ny alin’ny faha 15 may 2017 lasa teo .Raha iny variana mandeha tamin’ny alina iny mantsy ireo fiara takisiborosy dia hain’ireo jiolahy ny niakatra teny ambony tafo ka nanataka ny labasy fanaronana entana sy nanapaka ny tady, ka nangalatra ireo entana rehetra tao ambony. Fiara telo indray no lasan’ireo jiolahy ny entana, raha niala kely ny tananan’i Brickaville ho any Toamasina ireto fiara ireto, nanodidina ny tamin’ny 1ora sy sasany maraina tany ho any .Niezaka nanatona ny mpitandro ny filaminana izy ireo kanefa efa tsy hita sy nanjavona ireo dahalo ka niala maina . Mahagaga ihany, hoy ireo mpamily, ny ahafahan’ireo jiolahy mihanika ny fiara, nefa efa miezaka mandeha mafy ihany ireo fiara. Araka ny fanazavana ihany dia efa manana fitaovana manokana ireo jiolahy hiakarany ny tafon’ny fiara na dia mandeha mafy aza ireo fiara ,satria variana matory ny mpandeha ka hainy ny manararaotra izany .Mandeha ny fanadihadiana atao amin’izao fotoana izao satria telo tapitrisa any ho any no tetibidin’ireo zavatra very tamin’ireo fiara telo ireo .Tokony samy ho mailo na ny mpandeha na ny mpamily rehefa mandeha amin’ny alina ny fiara ,ka tokony hanara-maso ny manodidina mba tsy hisian’ny loza tahaka izao fa tsy hankinina amin’ny mpamily irery izany ,mba mailo ihany fa tsy tery lalana tokoa ny mpanao ratsy.
Janus R