- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntanetibe Mahazaza : Tokantrano notafihana jiolahy mitam-basy, lehilahy iray voatifitra

Antanetibe Mahazaza : Tokantrano notafihana jiolahy mitam-basy, lehilahy iray voatifitra

Ny alin’ny talata lasa teo, tokantrano iray teny Andranofotsy, Antanetibe Mahazaza, ao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo no lasibatry ny asan-jiolahy. Vokany, naratra mafy voatifitr’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana ary vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary kosa no lasa tamin’izany. Raha ny zava-nitranga : efa-dahy nirongo basim-borona sy zava-maranitra izy ireo no nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any. Ny roa tamin’ireo olon-dratsy no niambina tety ivelany, raha nanao izay hivahan’ny varavarana ny roa  lahy. « Avy hatrany dia nandray ny ziogan’omby teo an-tokotany ka novakian’izy ireo ny varavarana ka nivoha ary niditra tao an-trano ny roa tamin’izy ireo » hoy  ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary. Samy taitra tamin’ny torimasony avokoa ireo tao an-trano. Nentin’ny tahotra ilay rangahy tompon-trano ka avy hatrany dia niezaka nitsoaka tamin’ny fitsambikinana teny am-baravarankely. Hitan’ireo jiolahy niambina tety ivelany anefa izany ka avy hatrany dia tifitra no nasetriny. Lavo voan’ny bala ilay rangahy. Naratra mafy fotsiny anefa, raha noheverin’ireo jiolahy fa maty. Ilay renim-pianakaviana amin’izay no noteren’izy ireo hamoaka ny vola. Tsy nanam-pidiny fa dia nomena ireto olon-tsy vanona ny vola an-tapitrisany rehetra tao an-trano. Azony izay nilainy, dia nitsoaka toy ny tsy teo ireto jiolahy ireto. Tamin’izay vao afaka nampandre ny zandary tao Antanetibe ireo voatafika, ary namonjy ilay naratra. Ity farany moa, raha ny vaovao voaray, dia efa nahazo fitsaboana tao amin’ny hôpitaly Bejofo. Nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana kosa ireo mpitandro filaminana. Tsy niandry ela akory dia nisy roa tamin’ireo olon-dratsy no voasambotry ny zandary tao Mahitsy. Eo am-pitadiavana ireo namany amin’izao fotoana izao ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici