Taorian’ilay fanafihana nitranga tetsy Anatihazo Isotry, antoandro benanahary sy teo imason’ireo mpanadalo, dia tsy niandry ela tokoa dia tonga teny an-toerana taorian’io fanafihana nitranga teny Anatihazo Isotry io ireo andiana pôlisy maromaro, nahitàna ireo pôlisin’ny boriborintany fahefatra misahana iny faritra iny, niampy ireo hery vonjy taitran’ny pôlisim-pirenena. Na dia teo aza ny sahavao sy ny fifanenjahana dia tafaporitsaka ihany ireo jiolahy efa-dahy nanafika. Angamba noho ny fahalalan’izy ireo tsianjery ireo lalan-kely sy elakelan-trano teny an-toerana. Fa tao anatin’izany savorovoro rehetra izany, fiara kely iray, marika “peugeot”, miloko mainty, izay nampiseho fihetsika hafahafa no nampiahiahy ny rehetra ho isan’ireo nanafika. Tsy niandry ela tokoa dia nosakan’ireo pôlisy ity fiara ity ary nasaina nijanona avy hatrany teo akaikina sekoly tsy miankina iray teny an-toerana. Efa leo tanteraka ity tsy fisian’ny fandriampahalemana ity ireo mponina ka tamin’io fotoana io, nandritra ny fisavàna ilay fiara nataon’ireo mpitandro filaminana, dia nanomboka nivorivory sy nitangorona ny olona. “Voamarinay fa tsy misy ifandraisany tanteraka tamin’ilay fanafihana ity fiara ity. Na izany na tsy izany anefa dia tsy maintsy nandray ny andraikitray izahay ho fiarovana ireo olona tao anatiny sy fananany teo anatrehan’ireo olona efa tezitra. Hany ka voatery nitondra azy”, hoy ny fanazavàna azo teo anivon’ny kaomisaria misahana iny faritra iny. Hatramin’ny omaly hariva dia fantatra fa mbola mitohy ny savahao sy ny fisafoana rehetra eny amin’ny manodidina ataon’ireo pôlisy hikarohana ireo olon-dratsy.
m.L