- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMananjary : Adin’ny mpirafivavy, ramatoa iray mpangala-badin’olona maty voavely vantan-kazo

Mananjary : Adin’ny mpirafivavy, ramatoa iray mpangala-badin’olona maty voavely vantan-kazo

Raikitra ny ady saritaka sy fifamonoana teo amin’ ireto mpirafivavy, ny harivan’ny 16 mey teo, tokony ho tamin’ny fito ora, tany amin’ny kaominina ambanivohitry Kianjavato, Distrikan’i Mananjary. Nahare tamin’ny manodidina ramatoa tompom-bady sahabo ho 37 taona eo, fa miaraka amina vehivavy hafa, ary ao an-tranon’ity farany mihitsy no matory rangahy. Rehefa nokarohiny ny toerana misy ny tranon’ity rafivaviny dia hita, ary tonga niditra avy hatrany tsy nampiomana izy, ka tratrany ambodiomby miray amin-drangahy vadiny ity rafivaviny. Saika raikitra ny fitsaram-bahaoka. Tao anaty fifandirana, tsy nisalasala ramatoa tompom-bady tezitra mafy, nahita ary naka ny hazo hidin-trano nipetraka teo anjoron-trano namelezany ny lohan’ilay rafivaviny, ka torana tsy nahatsiaro tena vaky loha ity farany ary nandriaka ny rà. Noezahin’ny manodidina novonjena haingana namonjy tobim-pahasalamana ilay naratra, kanefa teny an-dalana dia tapitra ny ainy, noho ny fahaverezan-drà be loatra nahazo azy, na dia natao daholo aza ny ala nenina rehetra namonjena ny ainy. Noho ny tahotra amin’ ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka sy hisorohana ny korontana ao an-tanàna, dia nalefa haingana any Mananjary izy mivady rehefa vita ny fakàna am-bavany natao azy ireo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici