- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahitsy : Ramatoa maty notsatotsahona antsy tao an-tranony

Mahitsy : Ramatoa maty notsatotsahona antsy tao an-tranony

Mampivarahontsana. Renim-pianakaviana iray, tokony ho 47 taona tany ho any, no niharan’ny fanafihana sy vono tao an-tranony, ny talata hariva lasa teo, tao Imerinavaratra, Fiadanakely, Mahitsy. Notsatotsatohan’ireo tsy valahara tamin’ny antsy mantsy ny tenany, izay nitarika ny fahatesany nony avy teo. Ny zanany avy nianatra, nirava tamin’ny dimy ora sy sasany hariva iny, tsy nanam-po na inona na inona no tojo zavatra mampivarahontsana toy izao : ny reniny mihoson-drà tanteraka mivalampatra eo am-povoan-trano. Tsindrona antsy maromaro no niletra teny amin’ny faritra maromaro teny amin’iny vatany. Niantso vonjy avy hatrany ity zanany ity. Tamin’izay no fantatra, fa mbola nisy aina ilay renim-pianakaviana ka nezahina nentina tany amin’ny hôpitaly Bejofo Mahitsy. Indrisy anefa, fa efa be loatra ny rà very taminy, ary nahazo taova ihany koa ireo zava-maranitra nitsatoka taminy ka dia tsy tana intsony ny ainy. Raha ny tombatombana voalohany nataon’ireo zandary, nanao  ny fanadihadiana dia vono an-kitsirano izy ity. Tsy nisy naheno anefa ny zava-niseho ka vinavinaina ho olona akaiky na efa mifankazatra aminy ihany no nahavita izao asa ratsy izao. Tsy nisy entana very ihany koa na dia iray monja aza tao an-tranony. Mitohy araka izany ny fikarohana izay olona nahavanon-doza tamin’ity vono olona mahatsiravina ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici