- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinondry : Lehilahy nivoaka ny fonja namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Ankadinondry : Lehilahy nivoaka ny fonja namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka

Fitsaram-bahoaka namoizana ain’olona indray, no nitranga tany amin’iny faritra Ankadinondry, Tsiroanomandidy ny talata hariva lasa teo. Lehilahy iray mpifoka rongony, izay vao nivoaka ny fonja, ary namaly faty ny olona nitory azy no niharan’ny hatezeram-bahoaka. Nokapain’ireo fokonolona ny famaky izy rehefa voasambotra ka dia maty teo ho no eo. Ny zava-nitranga : mpifoka rongony hikoizana tany amin’ny faritra nisy azy ity lehilahy ity. Nisy nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana ranamana ary dia nidoboka am-ponja. Herinandro talohan’ity zava-nitranga ity no vita ny saziny ary ny voalohany tao an-tsainy tamin’izany dia handeha hamaly faty ilay olona nitory azy. Notsindrominy antsy avy hatrany ity rangahy ity, ary naratra teo amin’ny am-bavafony. Avotra soa aman-tsara ihany anefa ity farany rehefa nentina tany amin’ny hôpitaly. Nandre izany kosa ireo fokonolona avy hatrany dia nirohotra nanenjika ilay lehilahy avy nigadra. Nitsoaka avy hatrany namonjy ny tranony ity nahavanon-doza ary nihidy aman-trano tao. Tsy nahasakana ireo olona vonton-katezerana anefa izany ary dia voasambotra ihany izy nony farany. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia niainga ny vono isan-karazany. Tonga hatrany amin’ny kapa famaky izany, izay nahazo tao amin’ny hatony sy ny lamosiny. Namoy ny ainy avy hatrany ity rangahy ity, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo. Tonga teny an-toerana ny zandary raha vao nahare ity zava-nitranga ity saingy efa tsy nisy azo natao intsony mahakasika ilay olona niharan’ny fitsaram-bahoaka. Na izany aza dia nanokatra ny famotorana sy ny fanadihadiana avy hatrany ireto farany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici