- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversNitondra lavanila maitso : Avocat nosamborin’ny zandary

Nitondra lavanila maitso : Avocat nosamborin’ny zandary

Teny amin’ny làlam-pirenena, nandritry ny fisavana mahazatra ataon’ny mpitandro ny filaminana  no  nanapa-kevitra ny zandary ny nitazona ilay mpisolovava. Teny amin’ny làlam-pirenena fahenina, mizotra mankany Antsohihy no nitrangan’izany, ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Ny zandary avy ao amin’ny kaompania Antsohihy no nanatontosa ny fisamborana raha araka ny fampitam-baovao ôfisialy. Fiara  Peugeot 309 no nentin’ilay mpisolovava. Nisy fonosana maromaro tao amin’ny fasian’entana rehefa nosavaina. Nanintona ny mason’ny zandary avy hatrany izany ary rehefa nosokafana, dia hita fa lavanila marobe no tao. Raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany, dia milanja 220 kilao ireo lavanila ary mbola maitso. Ny anton’ny fitazonana indray, dia satria mbola tsy misokatra ny tsenan’ny lavanila raha tsy amin’ny volana jona. Dikan’izay, raha araka ny zandary, dia sokajiana ho fandikan-dalàna ny fiotazana sy fitondrana an’izany mandehandeha ary indrindra ny fivarotana azy. Rehefa nohenoina ny olona voakasik’ity raharaha ity, dia fantatra fa avy any Befandriana ireo lavanila no nalaina ary saika hoentina any Anjiabory, distrikan’Analalava mba hikarakarana azy. Vao tsy ela koa izay, tamin’ity herinandro ity, no nisy polisy roa  nosamborin’ny zandary rehefa tratra nitondra lavanila maitso tao anatin’ny fiara tsy mataho-dàlana nentiny. Raha ny fihevitry ny olona ao an-toerana ny zava-mitranga, dia mitady fomba hoentina hamoahana ny lavanila halatra ao amin’ny faritra betsaka azy ireo ny mpanao trafika ka ny fanaovana kolikoly mba hampiasana ireo olona matetika tsy voasakana no tena tetika. Saingy tsy nahomby aloha izany tato ho ato raha jerena amin’ny zava-nitranga faramparany teny amin’ny lalam-pirenena fahenina sy faharoa; izay nisian’ny fisamborana nisesisesy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici