Mpanangom-bokatra no asan’izy ireo. Ireny dingadingana ireny no vidiana ao amin’ny fokontany antsoina hoe Ankofafahely, ao Ambanja. Ny zoma teo dia nidiran’ny jiolahy efatra nitazona antsy lava izy ireo ary norahonana tamin’izany. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina no niditra avy eo amin’ny varavaran-kelin’ny efitrano fidiovana ireo olona rehefa tsikaritr’izy ireo fa natory ny mpiambina. Norahonana ny Sinoa dia nasaina nanome ny vola rehetra izay nisy tao an-trano. Raha araka ny fanampim-panazavana momba ity raharaha ity dia mitentina 14 tapitrisa ariary ny vola azo tao amin’ilay trano. Isan’ny mijaly ny mpandraharaha madinika satria lasibatry ny jiolahy matetika izy ireo eto amintsika. Indrindra amin’izao vanim-potoan’ny lavanila sy ny jirofo izay hisokatra tsy ho ela izao ka efa manomboka tonga any an-toerana ny mpandray vokatra mijerijery izay hovidina. Ny samy mpitoetra ao an-tanàna aza dia tsikaritra koa fa misy amin’izy ireo no lasa mifamono noho ny herin’ny vola. Tsy vitsy izay mpangalatra lavanila maitso izay niharan’ny famonoana ho faty izay. Torak’izany ihany koa, ireo noheverina ho manam-pahefana kinanjo mitatitra vokatra tsimoramora avy amin’ny fanamparam-pahefana…
D.R