- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoaranana : Saika niharan’ny fitsaram-Bahoaka ny hehiben’ny zandary

Ambatoaranana : Saika niharan’ny fitsaram-Bahoaka ny hehiben’ny zandary

Teo no nandrasan’ny olona ilay zandary (Sary Malala Didier)

Lasa leo zandary ireo vahoaka ao Ambatoaranana, sy ny manodidina azy, noho ny zava-misy, satria tsy natao hiaro ny vahoaka ny fananany intsony izy ireo fa manao fanararaotam-pahefana mandroba indray ny fananan’ny tantsaha; hany ka tsy misy afa-tsy ny 25% ny vokatra sisa no misy na faha-03 amin’ny vokatra lavanilina ny ao Ambatoaranana izay mamokatra 3 taonina isan-taona. Tamin’ny fanadiadiana ifotony natao tany an-toerana dia betsaka amin’ireo tantsaha no sahy nijoro tamin’ny nanjo sy niainany, na fantatra izy ireo ny hanjo azy taorian’izao fijoroana vavolombelona izao. Teo ny lefitra ny ben’ny tanana ao Ambatoaranana, Atoa Kalo Sylvain, izay nosaivaina trano noho ny tondro molotra nefa tsy mpamboly na mpanangom-bokatra; Atoa Martin izay nosamborina sy nentina teo amin’ny fitsarana raha niharo ny lavaniliny sisa na halatra, saingy nohafahan’ny fitsarana izy nefa teo am-pamerenana ny lavaniliny araka ny didim-pitsarana ny zandary dia tsy nisy afa-tsy 50kg tamin’ny lavaniliny 170kgs no mba tafaverina  taminy, ny vadiny Rtoa Perline aza naratra noho ny daroky ny zandary nandritra izany; Atoa Zakaria kosa dia nakan’ireo zandary vola 200.000 ariary ny tenany noho ny fiarovany ny lavaniliny 05kgs sisan-jiolahy ihany koa.

Ny tena mahavariana amin’ity raharaha lavanilina ao amin’ny distrikan’i Fenerivo atsinanana ity, dia ireo mpibizina afaka manofa zandary miaraka aminy, tsy misy sahy manakana sy mandeha ho azy avokoa, tahaka ity fiara 4×4 fotsy nitondra lavanilina 850kgs tao anatiny, nefa mpitandro ny filaminana in-03 no misava vao tonga ao Fenerivo atsinanana. Leo tanteraka amin’ny ataon’ny zandary ny tantsaha sy ny vahoaka ka lasa mahery fihetsika; isany nampiharan’izy ireo izany ny fisamborana olona nataon’ny lehiben’ny zandary eto Toamasina sy ireo ekipa nentiny niisa efatra ny talata 23 may teo. Nanaovan’ny olona sakana ny lalana niverenany nisambotra olona roa voalaza fa mpividy lavanilina, raikitra noho izany ny tora-bato sy ny sakoroka, ka voatery nampiasa ny basy tany aminy ireto zandary nanaparihana ny tantsaha nanakana tamin’ny tifi-danitra.

Raha ny angom-baovao anefa dia ny 20 jona izao vao hisokatra ny fihotazana sy fividianana lavanilina ao Fenerivo atsinanana, Vavatenina, Soanierana ivongo ary Sainte-Marie; mandra-pahatonga izany anefa hatahorana ny lavanilina 25% sisa tavela amin’ny ataon’ny zandary sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Ny volana jolay kosa izany ho an’i Mananara sy maroantsetra…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici