- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpandraharaha karàna, norobain’ny mpiambina azy

Antsirabe : Mpandraharaha karàna, norobain’ny mpiambina azy

Entana mitotalim-bidy 15 tapitrisa no voaroba tao amina fivarotana iray lehibe an’ny teratany karàna teto Antsirabe. Tsy iza akory ny nahavanon-doza fa ireo mpiambina ny trano fivarotana ihany. Nampangain’ireny “camera de surveillance” ireny  ny mpiambina roa lahy taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Niaiky rahateo ry zalahy fa nanao ny asa ratsy ary nanoro ireo  namany hafa niray tetika taminy. Hatairana ny an’ilay teratany karàna raha nahita fa banga efa ho telo taonina ny voanjo tao amin’ny trano fitehirizam-bokany ny herinandro lasa teo. Tsy nisy vaky anefa ny trano na ny tafo. Nampiantso ny mpitandro filaminana izy ary teo no nanomboka ny fanadihadihadiana ka nanarahana ny “camera de surveillance”. Tsikaritra tamin’izany ny mpiambina roa lahy mivezivezy toa amin’ny fivarotana nandritra ny andro nahaverezana ireo entana be ireo. Rehefa izany dia nanoro ny namany hafa izy ireo, tsy iza akory io namana io, fa olona efa fanta-daza amin’ny fanaovana ratsy eto Antsirabe sy ny manodidina. Raha ny fantatra dia ao anatin’ny fanefana sazy mihitsy io olona io, amin’izao fotoana satria ao anatin’ny sazy miantona 5 taona sy enim-bolana an-trano maizina noho ny raharahan’ny orinasa Tiko teny Andranomanelatra. Tsilian-tsofina no nandrenesana fa milaza mahitahita io rangahy io ka tsy matahotra fitsarana, na i Ravalomanana aza hono tsy nahagadra azy. Ankoatra azy io dia mpanamboatra fanalahidy iray eto Antsirabe  ihany koa no voasambotra niray tsikombakomba nanamboatra ireo dika mitovy tamin’ny fanalahidy namohana ny trano. Hatreto izany dia efatra no voasambotra ankoatra ilay nividy ny entana halatra. Ity farany moa dia azo lazaina fa voafitaka ihany satria raha ny fanazavana azo teo amin’ny zandary dia ara-dalàna avokoa ny taratasy nataon’ireo olon-dratsy nentina namarotana ny entana. Fiara lehibe Sprinter iray moa no voatana ao amin’ny zandary satria io fiara io no nampiasan’ireo olon-dratsy nivarotana ny voanjo aman-taonina.  Marihina moa fa mbola tratra tany amin’izy efa dahy voasambotra ireto ny vola vidin’ny entana izay mitsinjara ho toy izao : 6 tapitrisa ariary no anjaran’ilay atidoha niketrika, samy nomeny 1 tapitrisa ariary ny mpiambina roa lahy, raha toa ka 7 hetsy kosa ny anjaran’ilay mpanamboatra fanalahidy mitovy dika. Nilaza ny tsy hitory moa ny tompon’ny entana raha toa ka haverin’ilay nahavanon-doza ny vidin’ny entana very, ny lalàna kosa no mitazona azy ireo hoy ny zandary ary tsy maintsy atolotra ny fitsarana izy ireo.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici