- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFari-piadidian’ny zandary Antananarivo : Naato ny fanaovana « PR » eny amin’ny...

Fari-piadidian’ny zandary Antananarivo : Naato ny fanaovana « PR » eny amin’ny lalam-pirenena

Tapa-bolana teo ho eo izay no tsy nahitàna intsony zandary misava fiara, na PR eny amin’ireo lalam-pirenena mivoaka ny renivohitra ao anatin’ny fari-piadidian’ny zandary eto amin’ny faritanin’ Antananarivo. Izany, araka ny fanazavàna nomen’ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kômandin’ny fari-piadidiam-paritan’ny zandarimaria Antananarivo (Cirgn Tana) vaovao, dia noho ny resaka ady amin’ny kolikoly izay imasoan’ny zandary amin’izao fotoana izao. Manaiky tanteraka izy ireo, fa isan’ny sehatra hanjakan’ny kolikoly tokoa ity fanaovana PR eny an-dàlana ity, ka nanapa-kevitra ny teo anivon’ny Cirgn Tana fa haato ao anatin’ny fotoana voaefatra izany, ahafahan’ireo zandary eny anivon’ireo borigady tsirairay avy mamerina mianatra sy miofana indray amin’izany fanaovana « PR » izany, mba hanaraka ny tokony ho izy. Heverina araka izany fa fomba iray ahafahana miady  amin’ny kolikoly ity fomba fijery vaovao ity. Aorian’ny fiofanana, ka hiverina amin’izany fanaovana fisavana eny an-dàlana izany izy ireo dia hisy ny fepetra henjana hampiharina amin’ireo rehetra izay mbola mitady hihoa-pefy ka hamerina ny fomba fanao taloha. Mety ho tonga hatrany amin’ny fandroahana tsy ho zandary mihitsy moa izany, araka ny fanazavana azo. Izany rehetra izany, dia isan’ny tafiditra ao anatin’ilay vinan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary, izay vao notendrena ny amin’ny resaka fanadiovana anatiny ny andarimariam-pirenena, hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka amin’izy ireo indray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici