Ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana manoloana ity tranombarotra iray malaza mpivarotra sakafom-biby amin’ny “boulevard de la Liberation” eto Toamasina. Notifirin’ireto andian-jiolahy efa niandry azy ity mpividy sakafom-biby izay sady mpamongay izany, no ampiasainy ihany koa amin’ireo fiompiana akoho fanaony. Niainga tao Ambolomadinika ity mpamongady ity niaraka tamin’ireo mpiasany mpitondra kalesa hitondrana ny entana. Nandritra izany anefa dia nentina tamin’io kalesa io ny vola 20.000.000 ariary hividianana izany izay natao anaty gony. Ny fahalalan’ireo jiolahy ity vola ity no efa niandrasan’izy ireo azy teo amin’ity tranom-barotra ity. Basy PA manana bala “22.R” no nampiasain’izy ireo, izay nahavoa azy teo amin’ny tratrany. Mbola tonga teny amin’ny hopitaly izy saingy ny fahaverezan-dra be loatra taminy no nitarika ny fahafatesany taorin’izany. Tamin’ny fahatongavan’ny polisy nijery ny zava-nisy taorian’ny antso azon’izy ireo dia nilaza ho tsy nahita ireo andian-jiolahy nanafika, sy tsy nahare poa-basy ihany koa, avokoa ireo manodidina rehetra, hatramin’ireo mpiambina eo anoloan’ilay tranombarotra mpivarotra sakafom-biby, sy ireo polisy manao fandaminana ny fifamoivoizana eo amin’ny sampanan-dalana hopitaly kely. Tsy fantatra izany ny isan’ireto andian-jiolahy ireto, ny fitaovana nampiasainy nitsoaka, ary ny lalana nitsoahany niaraka tamin’ilay vola 20.000.000 ariary saika hividianana sakafom-biby. Nanana fahasahiana ireto andian-jiolahy ireto nanao ity fanafihana mitam-basy nitranga ny alatsinainy teo ity, satria nanomboka tamin’io fotoana io no nanomboka ny sarin’ady ara-tafika iraisam-pirenena teto Toamasina, izay fotoana naha-betsaka miaramila sy mpitandro ny filaminana eran’ny tanàna. Mitohy ny fikarohan’ny polisy mikasika ireto andian-jiolahy ireto…
Malala Didier