Saika isan’andro dia nandrenesam-baovao mahakasika halatra sy fitondrana lavanila an-tsokotsoko ary vono olona foana any amin’iny faritra SAVA iny. Afak’omaly alina, tokony ho tamin’ny fito ora, lavanila milanja 180 kg nafatratra tao anaty « sachet plastique » miisa 27 natao tao anaty gony maromaro no saron’ny Zandary avy ao Ampanefena tao Analovana, distrikan’i Vohémar. Saika hoentina any Antalaha ireto lavanila voarara izao tra-tehaka izao. Raha ny nambaran’ny Lieutenant Rasolofoherintsoa Stephanson, Commandant de Compagnie Vohémar, dia avy tany Ankaramibe Antsohihy, faritra Sofia, ireto lavanila sarona, izay nogiazana ao amin’ny biraon’ny Zandary ao Ampanefena ankehitriny. Ary ny nanaitra, hoy hatrany ny tati-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana mandray an-tanana ny raharaha, dia nahitana « carte collecteur de vanille vierge » efa nisy fitomboky ny Sekretera Jerenalin’ny « Plate Forme National de Vanille » tany amin’ireo mpibizina. Aorian’ny famotorana lalina ataon’ny Zandary, dia hatolotra ny Fitsarana ambarantonga voalohany ao Antalaha tsy ho ela ny raharaha.
Eric Manitrisa