- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversALAOTRA MANGORO : Moramanga Nifanakalo hevitra sy niara-nikaro-baholana ireo mpikambana ao amin’ny...

ALAOTRA MANGORO : Moramanga Nifanakalo hevitra sy niara-nikaro-baholana ireo mpikambana ao amin’ny ACP

478 no voafonja eto Moramanga raha 26 no vehivavy ary 8 no zaza tsy ampy taona. 13 no zandriny indrindra. Tonga nitsidika sy niara-nivavaka tamin’izy ireo ny pretra sy relijiozy vavy mpitsara eo anivon’ny fonja mikambana ao anatin’ny ACP na Aumonerie CatholIque de Prison. Ny alahady 28 Mai 2017 no nanombohana ny zaikabe nasionaly tamin’ny alalan’ny sorona masina notarihin’ ny Evekan’i Mahajanga Mgr Rakotondrajao Roger Victon. Fonja  45 eto Madagasikara no ahitana ireo ACP miasa sy mikarakara ireo voafonja. Nihaiky ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Ministeran’ny fitsarana misahana ny voafonja fa feno sy marefo kokoa raha mihoatra amin’ny rehetra ity fonja eto Moramanga ity. Sahaza ny olona 70 – 90 nefa efa mihoatra loatra. Hisy ny fandraisan-tanana ny fanamboarana ny fonja eto Moramanga amin’ny faran’ny taona. Mahatsapa ihany koa ity tompon’andraikitra ity fa tombony hoan’ny ministera ny miara-miasa amin’ireo ACPM satria betsaka ireo voafonja no mahazo fanabeazana sy fampianarana, handinika sy hifampizara ny fomba fanatsarana ny fiasa eny anivon’ny fonja no ataon’ireo mpikambana ACPM ary handrafitra izany ka hanatitra izany eny anivon’ny ministera sy ireo tompon’andraikitra mivantana misahana ny voafonja sy ny fonja.

Cathy

Lycée Razafindrambe Victorien Moramanga

Nifampitaona ireo maintimolalin’ny sekoly

Feno 40 taona ny Lycée Razafindrabe Victorien eto Moramanga; Nivondrona ireo mpianatra sy mpampianatra nandalo tao amin’ity sekoly ity ny alakamisy 25 Mai 2017 nandritra izay fotoana izay ary ny talen’ny lycee tamin’izany fotoana izany sy ny tompon’andraikitra voalohany Andriamatoa Randrianalison Gervais. Nisafidy ny hamboly hazo sarobidy mihisa 70 manodidina ny fasan’ny mahery fo teny Ampanihifana  ao amin’ny kaominina Ambohibary izy ireo Ireo karazan-kazo izay tena sarobidy tokoa no novolen’izy ireo ho fanamarihina ny faha-70 taonan’ny tolom-panafahana 29 Marsa 1947. Hanome Tanana ny fanamboarana an’ity sekoly ity ireto maintimolalin’ny sekoly ireto. Nialohanvan’ny fomba amam-panao Malagasy ny fambolen-kazo manodidina ny fasana izay notarihin’ireo olobe tonga teo. Ireo mikamabana ao anatin’ny FIZA Mangoro dia mpianatra tao avokoa. Tonga teto Moramanga ireo mpianatra fahiny avy any Toamasina sy Antananarivo ary Amatondrazaka. Nitovy ny fomba fijery teo amin’ny rehetra dia ny hanamboarana ny sekoly izay efa simba eo amin’ny fotodrafitrasan’ny sekolyd noho ny tsy fisian’ny fikarakarana hatramin’izay

Cathy

Fitakiana sendikaly

Nohatsaraina ny fomba entina manao izany

Ankatoavin’ny mpamatsy vola ny sendika  amin’izao fotoana izao raha efa 80 taona lasa no nisy ny tolona izay matetika no tsy nahitana vahaolana maharitra hatramin’izay. Nohavaozina izany amin’izao fotoana izao taorian’ireo fitakiana maro samy hafa ny taona 2015. Nahatsapa ny tsirairay fa tsy nahitana vokatra tsara sy nahomby ka samy nandinika avokoa  ireo mpitarika tsirairay avy ka nahatonga ny fanatsarana ny fitakiana amin’izao fotoana izao. Niverina teny amin’ny mpiasa izy ireo ary nanao ny fifandinihana teny anivon’ny mpiasa rehetra. Taorian’izay dia nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo firaisamonim-pirenena izay nahazoana  famatsiam-bola 60 000  euro ka ny volana janoary ka hatramin’ny jolay 2017 no hampiasana izany ary hitaterana ny vokatra eo anatrehan’ny mpamatsy vola; fiofanana no nataon’izy ireo teo Moramanga ny 23 – 27 Mey 2017 izay niompana tamin’ny tombon-tsoa sosialy, vehivavy sy ny asa ary ireo fomba sy tetik’ady fitakiana tombotsoa. Mpampiofana Manam-pahaizana manokana teto an-toerana sy avy any ivelany no nampiofana teto Moramanga ny 27 Mey 2017 kosa dia nanentana sy nampafantatra ireo olona rehetra teto Moramanga ireo sendika ireo mahakasika ny asa sy anjara toerany manoloana ny fomba fitakiana. 4 ireo mikambana ho sindika eto Moramanga dia ny USAM, FISEMA, SEKRIMA, SVS ary efa mifandray amin’ny foiben’tsendikaly any Genève.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici