- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra fiara tetsy Ivandry : Nosamborina tany Toamasina i Jimmy

Halatra fiara tetsy Ivandry : Nosamborina tany Toamasina i Jimmy

Namoahana “avis de recherche” izy noho ny halatra fiara nitranga tetsy Ivandry ka nafenina teny Namontana. Rehefa nandeha ny fikarohana rehetra dia ny pôlisy tany Toamasina no nahatsikaritra ny fivezivezeny tao an-toerana. Natao avy hatrany ny fisamborana ary natolotra ny pôlisy teto an-drenivohitra ny lehilahy. Teo no nivoahan’ny raharaha rehetra izay efa nahahakasika azy sy mahakasika azy. Efa nokarohina izy tamin’ny taona 2016 noho ny raharaha fakàna an-keriny. Tamin’ity indray mitoraka ity indray dia halatra izay nitranga tetsy Ivandry no antony nisamborana azy. Tsy nahita toerana nametrahana ny fiara izy mandra-pivarotana an’izany, ary dia natsofony teny Namontana aloha. Teo no nisy olona nahatsikaritra ary nampandre ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra fanadihadiana avy hatrany. Nohamarinina ny momba an’ilay fiara avy amin’ny laharany ka teo no nahafahana namantatra ny tompony izay monina etsy Ivandry. Nanamafy tokoa io farany fa nisy nangalatra ny fiarany ary tsy hita izay nanjavonany. Fiara marika sinoa “Jac”, miloko mainty, io very io. Nifandray avy hatrany ny zava-nisy ary voaporofon’ny pôlisy fa i Jimmy tokoa no tompon’antoka tamin’ny halatra. Rehefa nohalalinina ny momba azy dia nivoaka koa ny dosie hafa mahakasika azy. Isan’izany ny raharaha fakàna an-keriny izay antony hafa namoahana “avis de recherche” momba azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici