
Tontosoa ny 29 mey lasa teo, teto Ambositra, tao amin’ny efitranon’ ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria Amoron’i Mania, ireo mpikambana ho birao maharitra hitondra an’ity rafitra ity.
Fito. Misy raopolo ireo mpikambana lany avy ao amin’ny birao telo, dia Ambositra, Fandriana, Manandriana, ka izy ireo no nandray anjara tamin’ny fifidianana izay ho mpikambana amin’ny birao maharitra, ka lany ho filoha tamin’izany Atoa Rabenarivo Fenolaza avy amin’ny « collège des commerçants Mitraka Amoron’i Mania », filoha-lefitra telo, dia Rakingasikara « collège des Industrie Fivoy », Rakotonomenjanahary Marc Rajaobelina « collège des commerçants Miatrika Amoron’i Mania » sy Ravololoarinoro Zaranirina « collège des prestataires Fivoy » ; ary mpanolotsaina telo, dia Randriamaromisanarivo Fidelis « collège des industrie Ny Fandrosoana », Andriamanampisoa Joelisoa « collège des préstataires Miavotra » ary Andriamanohifitia Thomas Paul « collège des commerçants Mitraka Amoron’i Mania. Fito araka izany ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Amoron’i Mania.
Fiofanana. « Izao fifidianana natao izao, dia tsy tanjona akory, fa dingana iray », hoy Ramatoa Hanitriniala Aimée, talem-paritra ny varotra Amoron’i Mania, fa ny tanjona, dia ny fampiroboroboana ny sehatry ny varotra sy ny indositra eto amin’ny faritra. Ho fanohizana sy fanatsarana ny ezaka rehetra, dia nangataka ny filoha vaovao mba hisian’ny fiofanana manokana ho an’ireo mpikambana amin’ny fanatanterahana ny asany. Nanatrika izao fifidianana izao, ny sekretera jeneraly ny fileovana eto Ambositra.
Anastase