- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Sprinter nivarina tany an-tanimbary, iray maty, 8 naratra mafy

Antsirabe : Sprinter nivarina tany an-tanimbary, iray maty, 8 naratra mafy

Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena faha7, raim-pianakaviana iray no nosokirina tao ambany fiara ny fatiny ary olona valo hafa naratra mafy; izany dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Vinaninkarena, ny alin’ny Alarobia hifoha Alakamisy  teo. Fiara Sprinter avy amin’ny koperativa Cotram, mampitohy an’Antananarivo sy Mananjary  no niharan-doza tao amin’ny fokontany Masombahiny kaominina Vinaninkarena Antsiarbe II. Hihazo an’i Manjary io fiara io izao tra-doza izao ka namoizana sy naharatrana olona maro ankoatra ny fahapotipotehan’ny fiara. Araky ny fanazavan’ny mpandeha iray naratra nijoro  ho vavolombelona, dia tena nandeha mafy tokoa io fiara io satria tsy latsaky ny 100km isan’ora hatrany ny hafangainam-pandehany na dia miditra fiolahana aza. In’efatra no efa saika niharan-doza  izahay talohan’ny nahatongavana teto Antsirabe hoy hatrany ny fanazavana, saingy avotra hatrany aloha teo, nisy fiara iray aza efa nifampikasoka ka nampiendaka ny “retroviseur” mihitsy. Nampitandrina ilay mpamily ny mpandeha rehetra mba tsy handeha mafy intsony, saingy tsy noraharahainy izany izany ka io niharan-doza io ny fiara vao tafavoka kely an’ Antsirabe. Nifanehitra tamina fiara lehibe iray mpitatitra fasika teo amin’ny fiolahana sady fidinana be ao amin’ny fokontany Masombahiny ny fiara. Vokatry ny fandehanana mafy loatra anefa, dia tsy voatana intsony ny familiana ka nifampikasoka tamin’ilay kamiao. Niendaka  tamin’izany ny varavarana mifanandrify amin’ny mpamily, nihilana ny fiara nony avy teo ary tany an-kady no niafarany. Lehilahy iray no tafavoaka ny fiara nandritra ny fivadihany ka maty potsitra tao. Vehivavy kosa ny dimy tamin’ireo naratra izay nanandrify ny toerana misy ilay mampily. Ity farany kosa nanano sarotra ny nisokirana azy satria tery teo anelanelan’ny familiana ny tenany ary tapaka ny tongony, sy ny tongotr’ ilay mpanampy azy koa. Ny faritry ny loha sy ny taolana no tena voa mafy tamin’ireo mpandeha ireo, nisy mihitsy aza no voatery niatrika fandidiana, omaly maraina vokatry ny fahatapahan’ny taolana amin’ny tenany.  Voalazan’ireo niharam-boina, fa isan’ny nitarika ny fivadihan’ny fiara haingana ihany koa  ny fahabetsahan’ny entana nentin’ity fiara Sprinter ity. Miainga mihitsy mantsy ny ilan’ny fiara hoy hatrany ny fanazavana raha vao miditra fiolahana sy mandalo ireny fanenana hafangainam-pandeha ireny. Nisy tamin’ireo naratra no efa nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy, ny sasany kosa voatery naiditra hopitaly mba hahafahana manaraka ny toe-pahasalamany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici