- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fiara mpaka fakon’ny kaominina nivarina an-kady

Antsirabe : Fiara mpaka fakon’ny kaominina nivarina an-kady

Niharan-doza ny fiara mpaka fakon’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra omaly maraina teo Ambohimena amin’ilay fidinam-be mihazo ny fokontany Mahaziana iny. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra fa ny fahavoazana no be. Niteraka fitohanana be ny loza ka voatery navily amin’ny lalana hafa mihitsy ireo fiara mpampiasa ny lalana omaly hariva ka niteraka fimenomenona ho an’ny maro. Raha ny fantatra dia nijanona teo amoron’ilay fidinana ity fiara lehibe ity haka fako,  nampiasa ny “frein à main” ny mpamily saingy tsy nahatana azy izany ka io niromorimo nidina tsy nisy mpampily io ny fiara. Tsy nijanona ilay fiara be raha tsy nivarina tany amin’ny hantsana. Soa fa tsy nisy fiara, na olona nanamorona ny lalana, na koa trano niantefan’ilay fiara. Voalaza fa niezaka niditra hamonjy ny familiana ihany ilay mpamily saingy tsy tratra intsony noho ity fiara ity nidim-pidinana. Fanontaniana mipetraka amin’itony tranga itony ny hoe mba voamarina tsara ary misy fanaraha-maso ve ireny fiara lehibe ireny alohan’ny hiasany  mba hisorohana ny loza mety hitranga toy izao.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici