- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimandroso : Sprinter nitondra mpitsangantsangana nivadika, ankizy iray maty tsy tra-drano

Ambohimandroso : Sprinter nitondra mpitsangantsangana nivadika, ankizy iray maty tsy tra-drano

Azo lazaina fa tsy niheren-doza ny fetin’ny pantekôty ity, raha teo amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana no lazaina. Namono olona indray mantsy iny lalam-pirenena fahafito iny omaly, alatsinain’ny pantekôty. Fiara « sprinter » iray, izay manao zotra eto an-drenivohitra, nitondra mpitsangantsangana, saika handeha hihazo an’i Betafo no niharan-doza teo anelanelan’Ambohimandroso sy Ambatolampy. Vokany, ankizikely iray no maty tsy tra-drano, olona dimy hafa tsy nahatsiaro tena ary am-polony ireo mpandeha naratra mafy. Tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any no nitranga ny loza, raha ny angom-baovao azo teo anivon’ny zandary misahana iny faritra iny, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ihazolava, kaominina Ambohimpihaonana. Ny fanazavàna azo hatrany no nahafantarana fa nandeha mafy dia mafy ity fiara « sprinter » ity. Tojo fiolanana tampoka anefa ny mpamily ary tsy voatanany intsony ny famialiana. Hany ka somary nanidina mihitsy ilay fiara, nivoaka ny lalana ary nifatratra teny amin’ny hazo iray. Vokatr’izay fanidinany izay dia olona roa sisa tavela tao anatin’ilay fiara fa saika tafapitika avokoa ny ankabeazan’ireo mpandeha, izay marihana fa saika ankizy avokoa. Ny iray tamin’ireo zaza ireo, izay ankizilahy teo amin’ny 10 taona teo ho eo no voapotsitr’ilay fiara. Tapaka tanteraka mihitsy ny lohan’ity ankizy ity vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy. Dimy tamin’ireo mpandeha ihany koa no nitsirara teny am-povoan’arabe, tsy nahatsiaro tena. Maro tamin’ireo tao anatin’ny fiara ihany koa no naratra mafy, ary anisan’izany ilay mpamily. Nentina novonjena haingana tao amin’ny hôpitaly Ambatolampy moa ireo naratra ary nalefa niakatra avy hatrany kosa ireo nila vonjy maika. Tamin’iny fetin’ny pantekôty iny dia niisa telo ireo lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, izay samy naharatràna olona avokoa saingy ity tao Ihazolava ity no nisy aina nafoy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici