Nihorohoro ny olona raha nahita ireto andian-jiolahy nanafika. Amin’ny andro harivariva izay mampitohana ny fifamoivoizana no nanatontosan’izy ireo ny asaratsiny. Nofahanana ny basy ary natao hitan’ny olona tao anaty fiara. Avy eo dia atodika any fotsiny ny basy ary asaina mamoha ny varavarana ny mpamily. Miditra izy ireo avy eo ary mandroba izay tiany. Tamin’ity indray mitoraka ity, ny harivan’ny talata teo, dia ramatoa no lasibatr’izy ireo. Lasa avokoa ny paoketra, ny vola ary firavaka teny amin’ilay ramatoa. Lasa hatramin’ny finday sy ny peratra mariazy. Mbola saika hiova fiara indray izy ireo nony avy eo saingy efa mailo ireo olona nahatsikaritra avy aoriana ka nilefa faran’izay haingana, efa nanomboka nihetsika rahateo ny fifamoivoizana. Vao tamin’ny herinandro ihany koa no nisy tranga toa io tetsy Antanimena ary niteraka korontana ho an’ireo mpamily fiarakodia. Samy nanao izay ho afany nitsoaka teo an-toerana rehefa nasesin’ny jiolahy ny fiara tratra tao anaty fitohanana. Ilaina tanteraka amin’izao fotoana ny fiparitahan’ny mpitandro ny filaminana etsy sy eroa mba hampilamin-tsaina ny olona mivezivezy, na mandeha an-tongotra izany na mandeha fitaovam-pitaterana hafa. Toa manatona ny toerana be olona indray mantsy no tena fanaon’ny jiolahy fa tsy miandry mangingina intsony.
D.R