Lehilahy iray voarohirohy ho nanodikodina zazavavy kely mpianatra tao amina sekoly ambaratonga fototra iray teny amin’iny faritra Isotry iny, no nifanenjahan’ny fokonolona, omaly maraina. Mbola namaly ihany anefa ity nenjehina ary nandratra ny iray tamin’ireo mpisambotra azy, saingy azon’ireo vaomieran’ny fandriampahalemana ihany nony avy teo. Velona teo ny daroka sy ny vono. Naratra mafy ity farany ary tsy nahatsiaro tena mihitsy nony nentina tany amin’ny biraon’ny pôlisy teo akaiky teo. Tsy nitazona azy moa ireto farany, fa avy hatrany dia nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana, ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona teny Tsaralalàna nony avy eo. Ny zava-nitranga : ankizivavy iray, mpianatra amina Epp iray eny an-toerana no mbola tsy hita hatreto, efa ho iray volana teo ho eo izay. Tovolahy iray no nahiahian’ireo ray aman-drenin’ity zaza ity ho tao ambadik’izany. Hita teny amin’ny manodidina ity tovolahy ity ary niantson’ireo ray aman-dreny vaomieran’ny fandriampahalemana hisambotra azy. Vao nahita ireo fokonolona anefa ity lehilahy ity dia nitsoaka. Ary tsy vitan’ny nitsoaka fa mbola namaly ihany koa. Sendra naharay zaran’angady tamin’ireo mpivarotra izany, teo amin’ny manodidina ity lehilahy ity ary nandratra izay tandrify azy ary tafaporitsaka. Izay no vao mainka nampiakatra ny hatezeran’ireo nahita ary rafitra teo ny fanenjahana. Voasambotra ihany nony farany ity lehilahy ity ary dia izao niharan’ny fitsaram-bahoaka izao.
m.L