- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversNahita aloka mainty : Nokapain-drangahy tamin’ny famaky ny lohan-dramatoa vadiny

Nahita aloka mainty : Nokapain-drangahy tamin’ny famaky ny lohan-dramatoa vadiny

Rabokona ve ? Renim-pianakavina iray no maty tsy tra-drano rehefa avy nokapain-drangahy vadiny tamin’ny famaky. Araka ny filazan’ity rangahy ity dia nahita aloka mainty izy, raha samy rendriky ny torimaso izy  mivady. Niezaka nikapa tamin’ny famaky ity aloka mainty ity ilay rangahy kanefa ny vadiny teo akaikiny no voan’izany. Voa teo amin’ny lohany ity ramatoa ity ary maty tsy tra-drano. Tany amin’iny faritra Soavinandriana, tao Fiadanana, kaominina Mananasy, no nitrangan’ity habibiana ity. Hatreto dia mbola mampisalasala ihany ny filazan’ity rangahy ity. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia nisy fifamaliana teo amin’izy mivady ireto ny harivan’io. Samy natory avy eo izy rehetra, kanjo dia izao zava-doza izao no nitranga nony avy eo. Nitsoaka nandositra avy hatrany rangahy raha vao nahavita izany. Niverina indray anefa nony avy eo niantsoantso vonjy eran’ny tanàna. Taitra tamin’izany ny fokonolona ary nandeha nijery avy hatrany ny zava-nisy. Ilay renim-pianakaviana mahantra efa nilomano tao anaty rà mandriaka ary tataky ny diam-pamaky no hitan’izy ireo. Na dia teo aza ny filazàn’ity rangahy mpamono vady ity dia notazomin’ny fokonolona izy, ary nomena ny zandary ny ampitso maraina. Notazomina ao amin’ny borigady Soavinandriana moa ity raim-pianakaviana ity. Marihana fa manan-janaka telo izy ireo, ary samy natory be avokoa tamin’ny fotoana nitrangan’ity vono olona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici