Nitrangana lozam-pifamoivoizana namono olona sy nahasimbana entam-barotra sy toeram-pivarotana maromaro indray tany Sakaraha, ny marainan’ny valo jona lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora. Raim-pianakaviana iray sahabo 40 taona eo no maty tsy tra-drano nohitsahin’ny kamiao, tao an-tsenan’i Sakaraha, tamin’io andro io. Raha ny fantatra dia mpamily mpanampy an’ity fiarabe mpitatitra entana ity ihany io namoy ny ainy io. Teo am-panamboarana ny hisatr’ilay kamiao simba ity farany no novelomin’ny mpamily tampoka ilay fiara nijanona tao anaty fidinana, ka nandeha, kanefa tamin’io fotoana io dia mbola tao ambanin’ilay kamiao izy, ka voahosy teo amin’ny lohany, ary niparitaka eran’ny arabe ny atidohany. Na dia nitranga aza ny loza dia tsy tafajanona ity fiarabe ity, ka nifatratra tany amin’ny toeram-pivarotana maromaro teo an-tsisin-dalana. Raha vao nahita an’ilay kamiao nanitsy nisosososo nitsotsoroka ireo mpivarotra dia nitsoaka nandositra nanavotra aina avy hatrany niala ilay fiarabe, raha tsy izany dia faty olona nikararana no niseho noho ny tandrevaky ny mpamily, raha ny tati-baovao voaray.
Eric Manitrisa