- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnjoma Ramaritinina : Lehilahy iray, maty voatsatoka antsy

Anjoma Ramaritinina : Lehilahy iray, maty voatsatoka antsy

Maty tsy tra-drano vokatry ny tsindrona antsy nahazo azy ny lehilahy iray tao Anjoma Ramaritinina. Nolazain’ireo nahavanon-doza fa mpangalatra omby io rangahy io ka notaperiny ny ainy. Resaka ady vehivavy no niantombohan’ny lonilony teo amina olona roa tonta, efa hatry ny ela raha ny fantatra. Voalaza matsy fa nikasa hiaraka tamina vehivavy iray teo an-tanana ilay namono, saingy tsy nanaiky razavavy fa nanambady olona-kafa. Tsy zakan’ilay lehilahy izany ka tamin’izany fotoana no efa nisy ny fifampihantsiana teo amin’izy roa lahy. Nambaran’ilay nomono ary fa mpangalatra omby io neken’ilay vehivavy ho vadiny io. Efa ela no nahitany azy ary nolazainy fa tadidiny ny tavany tamin’ny fotoana nisian’ny fanafihana tao an-tanana. Omaly antoandro, tsy fantatra aloha raha efa nandrasan’izy roa lahy mihitsy io rangahy io fa dia nanaovan’izy ireo tamba be ary tsy namelany raha tsy tapitra ny ainy. Voalaza fa feno tsindrona antsy ny vatany sy ny tendany izay nitarika ny fahafatesany. Fantatra fa efa nosamborin’ny mpitandro filaminana izy roa lahy ireo, omaly Alahady io ihany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici