- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversAntsahavola : Rangahy avy nividy fanafody, voakenda sy voaendaka

Antsahavola : Rangahy avy nividy fanafody, voakenda sy voaendaka

Tato anatin’ny herinandro izay dia nanao ranolava tokoa ny fanafihana sy ny fanendahana teto an-drenivohitra. Toy ity nitranga tetsy Antsahavola ity, ny faran’ny herinandro lasa teo. Rangahy iray avy namonjy fivarotam-panafody vao maraina no narahana telolahy. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nobatain’izy ireo ity lehilahy ity ary nokendaina sy nambanana antsy. Norobain’ireo olon-dratsy hatramin’ny fanafody vao avy novidiany teny amin’ny fivarotam-panafody. Nandeha nitaraina tany amin’ny pôlisy avy hatrany ity lasibatra ity, ary fotoana fohy taorian’izay dia voasambotra teny amin’iny faritra Petite Vitesse iny ny lehilahy iray, isan’ireo telolahy nanendaka azy. Tamin’ny fisavàna ity farany dia mbola hita tany am-paosiny ny findain’ilay rangahy, miampy vola dimy arivo ariary. Efa mpanendaka ikoizana ity ranamana ity izay fantatra amin’ny anarana hoe Emilien. Nilaza moa izy tamin’ny fanadihadiana natao azy fa io finday io sy ny vola no azy tamin’ny fizaràna natao fa ny zavatra sasany dia efa lasan’ireo namany avokoa. Fa eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana manjaka amin’izao fotoana izao dia misy hatrany ny fisafoana ataon’ireo mpitandro filaminana, indrindra fa eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Tovolahy mpanendaka iray ihany koa no voasambotra teny amin’ny fiantsonan’ny taxibe teny Ambodifilao, ny faran’ny herinandro lasa teo. Teo am-panendahana ramatoa iray ity farany no sendra hitan’ireo pôlisy ka raikitra avy hatrany ny fifanenjahana ary tsy lasa lavitra dia izao voasambotra izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici