Tsy an-tanety, tsy an-dranomasina, fa dia manjaka tokoa ny tsy fandriampahalemana. Ny faran’ny herinandro lasa teo, botry nitondra mpandeha sy entana no notafihan’ny jiolahy teny am-povoan-dranomasina, tany Soanenga distrikan’i Besalampy. Vehivavy roa izay isan’ny mpandeha tao anatin’izany botry izany no lasan’ilay jiolahy natao takalonaina, niaraka tamin’ireo entana maromaro sy vola telo tapitrisa ariary. Lasa torak’izay ihany koa moa ilay botry. Nalaky nitsoaka sy nitsambikina tany an-dranomasina, niantso vonjy haingana ny tompon’ity sambokely ity, niaraka tamin’ny vadiny. Ny zava-nitranga, nisy botry iray izay antsoina hoe « Sofindraza » izay nentina mpivady, ary nitondra mpandeha telo sy entana isan-karazany. Nony tonga teny am-povoan-drano ity sambokely ity dia nisy iray amin’ireo mpandeha namoaka famaky sy sabatra, ary rafitra namono ireo mpandeha niaraka taminy. Tonga saina avy hatrany ireo mpitondra an’ilay botry, fa fanafihan-jiolahy no niseho ka avy hatrany dia nitsambikina tany an-dranomasina ilay rangahy, narahin-dramatoa vadiny, handeha hila vonjy. Ary na dia naratra aza izy dia tody soa aman-tsara teny an-tanety ihany. Nentin’ilay jiolahy nirongo fiadiana araka izany ilay sambo kely, niaraka tamin’ireo mpandeha roa vavy tao anatiny. Tsy vitan’izay moa, raha ny fampitam-baovao, fa mbola nisy entana, vary 50 gony sy menaka amina zerikanina maromaro nentin’ity sambokely ity. Ary manampy ireo ny vola telo tapitrisa ariary. Nampandrenesina haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana tao Besalampy mahakasika ity fanafihana botry ity. Ireto farany moa izay niantso fiaraha-miasa tamin’ny Apmf, ny sampan-draharaha miandraikitra ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy, mba hikarohana ity sambokely lasan’ny jiolahy ity, fa indrindra ireo olona lasa takalonaina.
m.L