- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversSolo Paingotra : Vao nivoaka teny Tsiafahy dia nandroba indray !

Solo Paingotra : Vao nivoaka teny Tsiafahy dia nandroba indray !

Vonoan’olona, fanafihana mitam-basy. Roa taona taty aoriana, avy eny Tsiafahy, dia efa iny indray ity jiolahy ity fa niverina amin’ny asaratsiny…

Anarana efa tsy zoviana amin’ny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny I Solo Paingotra. Ny antony dia efa betsaka ny nahita faisana tamin’ny asaratsy nataony. Tao no voatifitra, ny voatsatoka antsy, ny voaroba trano. Isan’izay ilay mpivarotra saribao tetsy Itaosy izay notifiriny tamin’ny basy ka maty tsy tsa-drano. Voasambotry ny zandary ihany izy taty aoriana ary naiditra teny Tsiafahy. Niaiky ny heloka vitany ary heloka bevava avokoaizany satria tamin’izany fotoana izany dia saika izy sy ny ekipany avokoa no tompon’andraikitra tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teny Itaosy. Nisy pôlisy iray efa lehibe sy miaramila, isan’ny nosamborina tamin’izany fotoana izany rehefa notondroin’I Solo Paingotra ho mpamatsy basy azy. Ny voalohan’ny aprily toa izao mihitsy, saingy tamin’ny 2011 no nitrangan’izany rehetra izany. Ireo olona ireo dia votsotra  teny ampovoamboan’ny tantara teny. Isan’ny nidoboka am-ponja ihany koa ny naman’ny Solo Paingotra izay noraofina tsirairay tany an-tranony avy. Ny nahatalanjona dia  tapitra sahady ny sazin’ity jiolahy rainin-dahiny izay nikoizan’Itaosy ity. Tsy nisy roa taona akory taty aoriana. Ny faran’ny taona 2013 teo izy no nivoaka ny fonja, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana. Dia io niverina tamin’ny asan-jiolahy mitam-basy io indray. Efa fantatry ny olona ihany fa nanomboka izy niverina teo amin’ny fiaraha-monina no nahazo vahana indray ny hala-botry  sy ny fanafihana, saingy tsy nisy sahy nametraka fitoriana noho ny tahotra valifaty. Efa mazava rahateo fa tsy tokony ho roa taona fotsiny ny saziny raha heloka bevava marobe, sady nekeny, no niampangana azy. Niainga tamin’ny vaky trano iray tetsy Andramahavola-Ambohidrapeto, toerana izy tsy mifanalavitra ny tranon’I Solo Paingotra akory no nahafahana nisambotra azy indray. Sendra tsy tao ny tompon-trano fa nandeha nivavaka. Rehefa niverina anefa dia efa najifa tanteraka ny entana azo nobataina. Hatramin’ny vola mba nampirimina aza dia nanjavona koa. Io fianakaviana io no sahy nametraka fitoriana. Ny antony dia hitan’izy ireo nivezivezy teo ireo jiolahy andro vitsivitsy talohan’ny fandrobana. Nisy iray voasambotra aloha tamin’ny namany. Io no nanondro izay misy ny namany, tao anatin’izany I Solo Paingotra. Nandritry ny fisavàna ny tranon’ireo voarohirohy ho olon-dratsy no nahitàna basy iray PA izay tsy nisy bala. Ny momba ny entana indray dia eny amin’ny tsenan’ny “Petite vitesse” no nolazain’ireo fa nandafosana ireo halatra. Marobe ny fanontaniana mipetraka momba ity fiverenan’I Solo Paingotra ao anatin’ny asan-jiolahy ity. Fandalovana fotsiny ve ny fonja ho an’ny mpanao ratsy? Roa taona tokoa ve ny didy nivoaka momba azy tamin’izany? Maninona no miverina ho jiolahy ihany ny olona voafonja noho ny asan-jiolahy?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser