- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversALAOTRA MANGORO : Moramanga ; Nahazo marim-pankasitrahana tamin'ny CNaPS ny orinasa Fanalamanga

ALAOTRA MANGORO : Moramanga ; Nahazo marim-pankasitrahana tamin’ny CNaPS ny orinasa Fanalamanga

Manao zava-dehibe ireo tombontsoa hoan’ireo mpiasa rehetra eto Madagasikara na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny eo anivon’ny CNaPS . Maro ireo orinasa no mbola tsy nahaloa ny latsakemboka raha ny eto Madagasikara noho ny antony maro samy hafa. Anisan’ny ohatra lehibe ny nataon’ny orinasa FANALAMANGA satria trosan’ny orinasa tao anatin’ny 10 taona (1996 -2016)  izay mitentina 8.000.000 ar no indray naloan’ny tale jeneraly Rakotonirina Augustin ary anisan’ny fanamby napetrany tamin’ny fotoana nandraisany ny fitantanana tamin’ny taona 2015. Valo volana monja taorian’izay dia voalohany ara-dalàna avokoa ireo vola rehetra ireo ary tsy misy olana ny isan-telovolana. Nanolotra marim-pankasitrahana hoan’ity orinasa ity ny eo anivon’ny fitantanana CNaPS foibe rehetra izay notarihan’ny tale jeneraliny Arizaka Rabekoto Raoul ny 14 jona 2017 tao amin’ny Antsirinala ao amin’ny efitrano malalaky ny birao foiben’ny orinasa.Niantso ireo mpiasa nanadalo rehetra tao ny tale jeneralin’ny CNaPS raha toa ka mbola tsy nisitraka ny zo tokony hoazy izy ary azo atao tsara ny mangataka ny tombontsoany nandritra ireo taona rehetra tsy mbola voaloha. Zava-dehibe hoan’ny orinasa sy ny tantarany ny nahavitàny ny fandoavany ny trosa nandritra ny taona maro na dia efa nisy ihany aza ireo ezaka efa natao nandritra ny fotoana fa izao vao tanteraka izany. Tao anatin’ny roa taona izao no nahatsapa ireo mpiasa fa efa afaka misitraka ny zony tanteraka amin’ny maha mpiasa azy . Etsy ankilany koa manjaka ny fifampihainoana eo anivon’ity orinasa fanalamanga ity  izay antony mampirindra tsara ny asa izany.

CATHY

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici