Vantany vao nahafantatra fa nentin’ny mpiara-monina teny amin’ny fokontany ny raharahara mikasika ny fanolanan’ilay raikeliny ity zana-badiny dia nitsoaka nandositra izy ary mbola nandrahona ho faty ireo mpiara-monina aminy.
Tao amin’ny fokontany Mahafaly Vatofotsy Antsirabe no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity. Efa am-bolana maro no niaritra ny herisetra nahazo azy ilay zazavavy kely vao 12 taona monja. Tsy sahy nitantara na tamin’iza na tamin’izy fa dia niaritra ny mafy teny foana. Raha ny fantatra dia hatramin’ny volana desambra 2016 no efa nanampatra ny filany tamin’ilazy zaza ity raikeliny ity. Ny tena zava-doza dia voalaza fa eo imason’ny zandriny lahy kely vao 6 taona monja ity rangahy no manao ny ataony.
Avy any Ambanivohitra lavitra izy mianadahy ireo, ny ray keliny no ipetrahany eto Antsirabe, fa ny reniny miasa, mamboly sy miompy any ambanivohitra. Malalaka rangahy noho izany manao izay tiany hatao amin’ity zana-badiny.
Tsy naharitra intsony ilay zaza nony farany ka nitantara tamin’ny mpiara-monina taminy ny zavatra ataon’ilay raikeliny aminy. Teo dia nandray fepetra avy hatrany ny mpiara-monina nitondra ilay zaza teny amin’ny fokontany. Nentina natao fizahana teny amin’ny mpitsabo ilay zaza ary voamarina fa tena niharan’ny herisetra ara-nofo tokoa. Nampandre ny polisy ny mponina ary nanoavana vela-pandrika ilay rangahy.
Tsy nahatam-bava anefa ny rangahy iray tompon-trano, voalaza fa naman’io rangahy io akaiky ka nampandre azy mialoha. Tafaporitsaka ilay rangahy noho izany ka io nanao vava be tamin’ny mpiara-monina taminy io. Efa eo an-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha .
Andry N.