Tsy misy marina tsy natao hipoitra ! Roa andro taorian’ny nahitàna ilay fatim-behivavy niboridana sy novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, teny amoron’ny farihin’Anosy iny dia fantatra izao fa ny sakaizan’ity tovovavy ity ihany no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. Niantefa tany aminy avy hatrany mantsy ny ahiahy rehetra rehefa nisy nahafantatra sy nahita izy ireo. Raha ny fampitam-baovao dia miara-mipetraka amina trano « sachet » eny amin’iny faritra Isoraka iny izy roa. Nidinana avy hatrany teny an-toerana, ary mbola hita tao ny akanjon’ilay rangahy sy ny fitafiany, izay nihoson-drà tanteraka. Tsy hita tany nanjavonana anefa ity sakaiza tsy vanona ity ary karohin’ny pôlisy fatratra amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina ny zava-nitranga : ny marainan’ny alatsinainy teo dia tranga mampihoron-koditra no nanaitra ireo mponina teny amin’iny faritra Anosy iny. Tovovavy iray niboridana tanteraka no hita faty, nivalampatra teo amoron’ny farihin’Anosy, tao ambadik’ireo trano kelin’ny mpanety teny an-toerana. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary nendahina ny hodi-tavany nony avy eo. Angamba noeritreretin’ilay mpamono fa amin’izay mba tsy hisy hahalala. Hadisoana tanteraka anefa ny azy fa dia izao andro vitsy monja izao dia nivoaka ny nafenina. Araka izany, « iangaviana izay mahita ity lehilahy amin’ny sary ity mba hanatona na hampandre haingana ny Brigade Criminelle Anosy ka hiantso ny laharana 034 05 517 26. Ny Polisim-pirenena dia manome toky fa hotanana ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao », hoy ny fampitam-baovao.
m.L